Tsy mahefa intsony hanatanteraka ny zo sy hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny fitondram-panjakana ankehitriny, raha ny fanambarana an-gazety nataon’ny SECES, sampan Antananarivo.
Na dia ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo naman’izy ireo nisotro ronono efa tokony nisitrahana hatramin’ny janoary 2016, narahana fanondroana daty sy fampanantenana poakaty, ny famoahana didim-panjakana na didim-pitondrana mifanaraka amin’ny rafi-pampianarana LMD hamahana ny olana eny amin’ny anjerimanontolo, indrindra, ilay antsoina hoe “obligation de service” dia samy maneho izany tsy fahefana izany intsony, hoy izy ireo. Efa halohalika ny ranombary. Miha mafana ny fifandonana eo amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra. Fahendrena, hoy izy ireo, ny miroso amina fametraham-pamelana faobe ary miangavy ireo mpanohitra kosa mba tsy hitondra ny Malagasy indray any amin’ny korontana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.