Fitondrana hanjakan'ny serasera politika mirefarefa

Mahazo vahana ny fandrendrehana


  • Alarobia 24 Septambra 2025

saim-bahoaka, tsaho, kivetaveta...

Vakiana fotsiny, hoy ny fitenin'ny tanora izay. Aiza koa no dia isaky ny misy vaovao mafampana heverina ho mety hahatonga saina vahoaka izao dia misy raharaha mamoha henatra na "scandale" mipoitra tampoka miaraka amin'izay hatrany? Saika nifanesy teto amin'ny firenena mihitsy nefa izao tao ho ao. Nahaliana ny mpanara-baovao maro ny tranga iraisampirenena tao Népal dia niara-nipoitra tamin'izany tampoka ny horonantsary mamoafady mahakasika tokantranona artista iray. Nihetsika ireo mpanolontsain'ny tananan'Antananarivo toa an-dry Faniry Alban Rakotoarisoa sy Clémence Raharinirina dia niainga indray, mbola resa-betaveta ihany, mikasika olo-malaza miisa 3. Iny izao farany teo nipoitra koa ny raharaha mahakasika ny fiainan-tokantranona mpiandry tsatoby amin'ny baolina kitra iray satria mafampana ity raharaha 25 septambra 2025 ity. Azo inoana ho kisendrasendra avokoa ve izany rehetra izany? Tsikaritra ho fitondrana hanjakan'ny serasera politika mirefarefa, noho izany, ity fitondrana ankehitriny ity, raha aravina ny fahitan'ireo mpanara-baovao azy satria dia iaraha-mahita fa mahazo vahana ny fandrendrehana saim-bahoaka na "diversion", ny tsaho, ny resaka vetaveta sy izay rehetra heverina ho azo hamiliana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin'ny raharaham-pireneny. Iny izao omaly dia niparitaka indray ny filalaovana sarina fitokonana teo Analakely efa tamin'ny volana martsa. Hampandroso firenena sa hilalao maloto ara-tserasera?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT