Fitondrana efa TGV-Mapar 95%

Mbola ny mpanohitra ihany no lazaina fa diso


  • Alakamisy 02 Mey 2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

mihitsy ny olona hifidy kandidam-panjakana. Ianjadian’izany ny mpiasam-panjakana sasany, ary betsaka ny endrika maneho ny fampitanilana ny fitantanan-draharaham-panjakana na voararan’ny lalàmpanorenana, araka ny andininy faha-38 aza. Ny fampianarana iniana atongilana, ny fitsarana atao fitaovana, ny tafika ampifandrafiana amin’ny vahoaka,… Tsy mety afa-po ny volomboasary fa manao izay hibakoana 100% ny rafitra sy fahefam-panjakana rehetra. Ankehitriny anefa, ny Filoha TGV, ny Praiminisitra TGV, ny antenimierandoholona 98% TGV-MAPAR, ny antenimierampirenena TGV-MAPAR ny maro an’isa, ny governora saika TGV-MAPAR avokoa, ny sefom-pokontany maro ny TGV-MAPAR fa izay tsy manaraka loko dia esorina, ny Fitsarana ezahan’ny TGV atao fitaovana fa betsaka no manomboka tonga saina, ny mpitandro ny filaminana ampiasain’ny TGV amin’izay ilany azy. Rehefa tombanana 90 hatramin’ny 95% TGV-MAPAR daholo no anaty rafi-panjakana sy mpanapa-kevitra. Ny Malagasy anefa miha mahantra hatrany noho ny tsy fahaiza-mitantana. Dia io fa mbola mandeha kajikajy maro hampandresena ny TGV-MAPAR, hany ka hatramin’ny Filoham-pirenena aza raha nikabary tany Fenoarivo Atsinana tapa-bolana lasa izay dia nilaza ankahirahary mihitsy hoe : anjaranareo no misafidy na ireo olona miaraka amiko na ireo mamadika ahy sy ireo misakana fampandrosoana. Inona no fampandrosoana sakanan’ny mpanohitra ? Moa tsy nalalaka tamin’ny fanapahan-kevitra nataony ny Fitondrana TGV eny fa hatramin’ny diplaomaty vahiny aza roahana ankolaka sy angatahana hosoloana rehefa manohintohina an’izay tiany hatao ? Malalaka tamin’ny zava-drehetra, eny fa na mety nanao ny tsy fanao aza toa heverina ho vitavita ho azy eny, raha tsy hilaza afatsy ny resaka Fanjakana tsy tan-dalàna, tsy fanajana ny fisaraham-pahefana,… fa mby aiza ny firenena ankehitriny ? Firenena anatin’ny 10 voalohany be kolikoly indrindra araka ny tatitry ny World justice Project. Lohalaharana amin’ny kolikoly sy fanodinana volam-panjakana ny avy amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna, araka ny tatitry ny tendrom-pitsarana misahana ny kolikoly,… Ny tahan’ny fahantrana ambony indrindra teo amin’ny tantara satria mahatratra 80,7%, ny orinasam-panjakana tapitra maty sy mikoroso fahana : Jirama, Air Madagascar, SECREN, CNaPS,… Efa niainana teto ny tetezamita 5 taona taorian’ny 2009, niainana ny 5 taona faharoa ny 2019-2023, dia mbola hanantena fahagagana ihany ve isika ? Ny manova no mety, ary isan’ny kihon-dalana ny fifidianana depiote!
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT