Politique

Fitondrana efa sempotra Hatao sorona ny PM Ntsay ?


  • Alatsinainy 05 Desambra 2022

Mifarana ny taona 2022, izay nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa ho taonan’ny asa. Rehefa zohiana, mbola taonan’ny krizy sy ny fampanantenana hatrany.

Tompon’andraikitra voalohany amin’ny tsy fahombiazana ny Filoha sy ny Praiminisitra. Ny faran’ny taona 2021 sy ny fiandohan’ny 2022, adihevitra be ny resaka fikitihana governemanta, ary tanteraka izany ny 16 martsa martsa 2022, saingy tsy hita izay tena vokany. Tsy nipetraka ny fahamarinan-toerana ara-politika, ara-toekarena, ara-tsosialy,… fa indrindra ny diplaomasia satria nesorina tamin’ny toerany ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Richard Randriamandranto ny 18 oktobra 2022, ary tsy misy solony hatramin’izao, fa ny Minisitry ny fiarovana no misolo toerana vonjimaika,… Endriky ny krizy ireny rehetra ireny, ary isan’ny sehatra goavana be tsy voafehin’ny Fanjakana ny resaka solika sy herinaratra. Sambany teo amin’ny tantara, ary vao mainka nampidangana ny vidim-piainana ny fiakaran’ny solika, izay niampy 1500Ar sy 1800Ar be izao isaky ny solika. Ny delestazy io tsy takona hafenina io intsony, ary efa tena miakatra ny hatezeram-bahoaka. Ampahany amin’ny zava-misy ireny, fa ny azo hamehezana azy dia tena vao mainka mihamafy ny krizy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, mitombo ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika, ahiana hirefotra hivadika ho krizy goavana hanampy trotraka ny efa misy raha tsy mitandrina ny Fanjakana, indrindra fa amin’izao efa ankatoky ny fifidianana izao. Misy ve anefa ny vahaolana? Tsy hisy fitondram-panjakana handeha hanala baraka tena sy ho tototry ny vavam-bahoaka raha nanana an’izany, fa hatreto fampanantenana no betsaka kanefa herintaona sisa tsy hifaranan’ny taom-piasan’ny Filoha.
HATAO SORONA NY PRAIMINISITRA
Tompon’andraikitra voalohany amin’ny tsy fahombiazana ny Praiminisitra izay tena mitondra ny baolina amin’ny fanatanterahana ny politika ankapobeny Fanjakana sy ny Filoha, ary izy rahateo no Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Mandeha ny resaka ankehitriny, fa mety hatao sorona politika hampitonintoniana ny saim-bahoaka ny Praiminisitra. Ity farany izay misy amin’ireo olon’ny fitondrana aza no tsy dia mankasitraka azy loatra. Anisan’izany ny depiote IRD iray, izay efa nanakiana azy izy no Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana kanefa betsaka ny zavatra tsy mandeha amin’izay laoniny, ny resaka kolikoly amin’ny raharaham-panjakana kanefa mangina ny Praiminisitra,… Ny Praiminisitra no tokony ho mpandrindra sy mandamina ny asan'ny governemanta, saingy hita taratra fa toa tsy dia milamina intsony izany, ary tsikaritra ny fisian’ny minisitra sasany toa tena tsy voafehy ao fa manaratsy endrika ny fitondrana, tsy vao izao io fa efa hatramin'ny 2019. Ny tenany ihany koa moa teknisianina fa tsy mpanao politika,.. Mpanao politika efa galifantsy no heverina fa mahavita an'io, ary efa anarana mihaolohaolo any an-dapa any. Mety hatao sorona ny Praiminisitra ankehitriny, mpanao politika iray efa filoham-panjakana teo aloha no re siosio fa homena io toerana io. Ny Praiminisitra vaovao no hanao ny pasoka daomy sy hanomana ny fampandaniana ny Filoha ankehitriny amin’ny 2023, raha ny kajikajy mandeha. Tena hizotra amin’izany ve anefa ny raharaha ary mbola ho voaarina ve izao sary ratsin’ny Fitondrana Rajoelina izao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT