FITONDRANA EFA MIPATITAKA

Diso Rajoelina maniraka ny mpitandro filaminana mamono vahoaka


  • Alatsinainy 06 Oktobra 2025

Nahoraka be omaly alahady ilay fizarana

tambin-karama 500 000 ariary isaky ny zandary nitandro filaminana sy nandrava ny hetsi-bahoaka. Efa ho 3 avo heny amin'ny karaman'ireo mpampianatra FRAM izay. Ka izay ve no mahatonga azy ireo ho tena masiaka sy manao herisetra, mandefa baomba lakrimozena hatrany amina toeram-pitsaboana sy tranon'olona ? Mikasi-tanana mpanao gazety manao ny asany, manendrikendrika olona tanam-polo ho terôrista ? Na amin'ny fihetsika na amin'ny fiteny ho tena masiaka ireo mpitandro filaminana indrindra fa ny zandary.
DISO
Mifanohitra tanteraka amin'ilay antso fifampiresahana sy. Fifampidinihina nataon'i Andry Rajoelina ny fihetsik'ireo mpitandro filaminana eny an-kianja. Sa ve efa tsy voafehiny intsony ireo, sa efa tsy Andry Rajoelina intsony no filoha faratampon'ny foloalindahy ? Diso tanteraka ny Filoham-pirenena tsy mahavita manome toromarika ny mpitandro filaminana mba tsy hanao herisetra ary tena ho diso eo anatrehan'ny tantara izay raha mbola tsy mandray andraikitra.
MARO IREO EFA NIALA NY SAMBO
Mazava ny resaka fa miha marefo ny fitondrana Rajoelina ary porofon'izany ireo mpomba azy mitombo isa isan'andro miala ny sambo dieny mbola tsy rendrika na nisafidy ny tsy hiteny.Aiza avy izao ireo minisitra teo aloha sy ireo depiote mpiaro fatratra ny fitondrana. Tsy hita popoka intsony, ireo mpanao facebook mpanasoaso sy mpisolelaka amin-dRajoelina, aiza daholo ?
MIARA-MIENTANA
Marina be amin:ny toe-java-misy izao ilay fiteny Malagasy hoe ny mitabe tsy lanin'ny mamba. Efa nahavita nanova zavatra sahady ny tolom-bahoaka tao anatin'ny herinandro, mijoro ny Malagasy ary resy lahatra fa tsy maintsy manova mba hananana fiainana tsara sy mendrika kokoa. Mamaly ny antso ary hifa fa mbola hamaly ny antso ho eny an-kianja ireo olom-pirenena satria resy lahatra fa soratana manomboka eto ny tantaran'i Madagasikara afaka. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT