Politique

Fitondrana an-dalam-pifaranana Manangasanga indray ny fikitihana governemanta


  • Zoma 06 Janoary 2023

Nanaitra ny mpanara-baovao ary nampametra-panontaniana ny rehetra ny fanehoan-kevitra nataon’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondraharimalala Marie Michelle omaly 05 janoary 2023.

Nanaiky notendrena. Manaiky ihany koa ny fanapahan-kevitra fanesorana rehefa tonga ny fotoana. Tsy tanjona ny fipetrahana amin’ny toerana iray. Ny adidy sy ny andraikitra nekena ho sahanina no zava-dehibe”, hoy io Minisitra izay notendrena tany amin’ny volana aogositra 2020 io. Raha zohiana amin’io, mety hisy ny fikitihana governemanta ato ho ato. Ho avy indray ve ny tsotsorimamba isarahana? Anisan’ny mety ho hoesorina ve ity olona akaiky ny Filoha izay efa Tale misahana ny resaka lalàna teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ity? Ny departemanta iadidiany izay somary nahenoana olana sy grevy matetika, ka vao ny fiandohan’ity taona ity, ny 03 janoary teo no nanomboka ny grevin’ny mpiasa eo anivon’ny sampana misahana ny mahaolona noho ny fanesorana tompon’andraikitra voalaza fa mahomby sy tsy nanao fadisoana arak’asa. Mety ny tenany aloha voalohany no tiany horesahana, fa mety ho hafatra ankolaka ho an’ny hafa ihany koa. Misy mantsy no toa tsy azo hozongozonina sy tena toa tena miraikitra mafy tsy azo hontsonina ao anaty governemanta na efa manaratsy endrika ny Fanjakana aza. Misy ihany koa moa ny toerana banga ao anatin’ny governemanta, dia ny Minisitry ny raharaham-bahiny taorian’ny fialan’Atoa Richard Randriamandranto ny 18 oktobra 2022,… Efa fikitihana governemanta fanineniny eo tao anatin’ny 4 taona mahery kely nitondran-dRajoelina ny mety ho fikitihana manaraka eo izay midika tsy fahamatorana sy tsy fahombiazan’ny Fanjakana volomboasary. Hita taratra hatrany fa niomana haka seza sy fahefana fa tsy niomana hitantana sy hampandroso firenena, raha tarafina amin’ny vokatra ankehitriny. Izay endriny farany aorian’ny fanovana eo izany raha ho tonga amin’izay no ho governemanta farany hiatrehana ny fifidianana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT