Fitondrana am-perinasa

Laharam-pahamehana 6 no tena maika


  • Talata 11 Novambra 2025

Miisa 6, raha tsiahivina ny napetrak’izao

fitondràna izao ho laharampahamehana hamahàna ny fototr’olana misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Voalohany ny fisitrahan’ny rehetra angovo. Faharoa, ny fisitrahan’ny rehetra rano fisotro madio sy fanadiovana. Fahatelo, ny fisitrahan’ny rehetra fahasalamana. Fahaefatra, ny fisitrahan’ny rehetra fanabeazana tsara kalitao sy mendrika. Fahadimy, ny famoronan’asa ho an’ny tanora. Fahaenina, fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana ho amin’ny fanavaozana. Mila vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny 60 andro moa, hoy ny baikon’ny filoham-panjakàna ankehitriny, Michael Randrianirina, tamin’izay fotoana izay, izany hoe nanomboka tamin’iny 29 oktobra iny. Hamafisina ny ady amin’ny kolikoly ary mila manana fitondran-tena mendrika amin’ny fanatanterahana ny asa ireo manampahefana, hoy ihany ny voalaza, raha fehezina. Araka izay maha laharampahamehana azy izay dia kasaina ho vahana mandra-pahavitan’ilay 60 andro nifanomezana izany ireo, raha iverenana ihany ny fanazavàna. Midika izany fa ireo aloha no noraisin’izao fitondràna izao ho maika indrindra ny tokony hamahàna azy. Mila milamina aloha ny lafiny angovo, herinaratra sy rano, fahasalamàm-bahoaka, fanabeazana tsara kalitao, famoronana asa ary izany rehetra izany no mitondra any amin’ny fahitàna avy eo hoe misy tokoa ve ny fiaraha-miasa sy mientana ho amin’ny fanavaozana ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ny mpitondra isan’ambaratonga? Mametraka fanontaniana ny mpanara-baovao maro ao anatin’izany hoe rahoviana ihany izany no atao ilay fikaonandoha? Namaly ny filoham-panjakàna fa eo am-pamolavolàna azy izao ny FFKM. Vao omaly koa moa no nanazava ny filohana antoko politika samihafa fa tsy azo atao ankamehana izany. Ny azo amehezana azy, araka izany, dia hita ho mizotra amin’ny fametrahana aloha ireo heverina ho laharam-pahamehana hatrany aloha ny fitondràna mijoro. Anjaran’ny vahoaka no mampitaha hoe izay ve no tena ilaina sa aleo ihany ny tamin’ny andron’ny «Werawera tsy maintsy mandeha»?
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT