Politique

Fitondran-dRajaonarimampianina Mpandainga sady mpamitaka


  • Alarobia 16 Desambra 2015

Ny mitantana no mety tsy hainy fa raha ny mamitaka sy mampiesona aloha dia talentan’ny fitondrana HVM amin’izao fotoana

 

. Tsy efa ny filoham-pirenena, izy tenany izao mihitsy ve no nilaza fa hovahana faran’izay haingana ny olana momba ny famatsiana solika ny gropy 52 eny Antanandrano, iray volana lasa izay ? Ankehitriny, ambara indray fa ny fahataran’ny famatsiana gazoala no nahatonga ny delestazy efa ho iray andro maninjitra tamina faritra maro teto Antananarivo sy ny manodidina.

Faly amin’ny fahoriam-bahoaka ?

Voakasiky ny fahatapahan’ny herinaratra nanomboka ny alatsinainy hariva ka hatramin’ny omaly talata ny teto Antananarivo, Antsirabe ary Analavory. Fahataran’ny famatsiana solika no fanazavana nomen’ny tompon’andraikitry ny Jirama ny mpanao gazety. Matoa tara ny famatsiana dia ao raha, izany hoe tara indray ny fandoavam-bola ka tsy nety nanome solika ireo kaompania. Azo atao ihany ny fifanarahana saingy efa tafahoatra loatra ny fahataran’ny fandoavam-bola, hoy ireo kaompania ireo. Efa mazava izao fa sahirana ara-bola ny fanjakana ka mivoaka sempotra vao mahavidy solika ho an’ny Jirama. Ny mahagaga anefa dia misy olona ambony akaikin’ny filoham-pirenena eto mahavita mitondra vola 3 tapitrisa euros mankany ivelany, vola izay azo nividianana gazoala 3,3 tapitrisa litatra azo hamonjena tsara ny Jirama. Tsy mivaky loha loatra amin’ny fiainam-bahoaka sy ny fahavoazan’ireo orinasa noho ny delestazy angamba ny mpitondra ka manao izay hahametimety ny paosiny sy ny aferany fotsiny aloha. Milaza fa sahirana ara-bola ka mangatak’andro lava handoa ny trosany ny fanjakana kanefa misy olom-panjakana migalabona amin’ny vola am-polony miliara ariary ary miaina tahaka ny mpanjaka mihitsy. Sao dia mba efa tsy rariny intsony kosa e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT