Politique

Fitondran-dRajaonarimampianina Hery sisa ianteherana


  • Zoma 06 Aprily 2018

Mampiahiahy ny serasera ataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana. Ezahina haseho sy habaribary ny fanehoan-kery sy ny fianteherany mafy amin’ny tafika.

 

 Haparitaka ny sary maneho fa voahodidina miaramila be kintana sy be bokotra, toy ny tamin’ny fandaharana “fotoam-bita” ny alarobia lasa teo. Efa nisy ny toy izany koa tany Ambatolaona ny 13 febroary teo. Ireny ve no serasera mendrika sy tokony habaribary amin’izao fotoana mafanampana eto amin’ny firenena izao ?  Fitoniana no tadiavina sa fandrangarangana hery ? Sa mampiseho ny heriny ara-bakiteny tokoa i Hery Rajaonarimampianina fa halohalika ny ranom-bary ? Toa efa raikitra ny fampihorohoroana an-kolaka sy fanisihana tsikelikely any an-tsain’ny mpanao politika sy ny vahoaka Malagasy fa mbola eo am-pelatanan-dRajaonarimampianina sy ny HVM aloha ny hery sy tanjaka. Manana ny tafika azo hianteherana sy hampiasaina ka mila manaiky izay tiany hatao ny rehetra, ary izay miseho be loha sy be saina eo dia hahita loza. Tambatambazana sy fehezina ny tafika. Vao ny faran’ny taona 2017 no nisy jeneraly 56 nakarina galona ka ny 36 kolonely lasa  “Général de  brigade” ary ny 20 lasa “Général de division”. Nahatratra 144 ny fitambaran’ireo manamboninahitra rehetra nakarina galona tamin’izany, kanefa vao herinandro mahery indray izay no nisian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana momba ny fampiakarana galona teo anivon’ny polisim-pirenena. Toa efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny jadona sy ny fandrangarangana hery isika. Tombanana avy hatrany ny hampiasana ny tafika hiaro mpitondra efa tsy ankasitrahan’ny vahoaka. Hatrizay dia natao ny endrika fanerena azy ireo hisompatra ny mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra, toy ny fanakanana hetsika isan-karazany. Vao mainka miakatra ny daozin’io fanaovana fitaovana ny mpitandro filaminana io. Ahiana ny mety ho fampiasan-kery sy fandatsahan-dra atsy ho atsy noho ny fitiavan-tseza diso tafahoatra.  Ambony dia ambony ny herijika hisian’ny korontana sy ny fifamonoana.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT