Fitondram-panjakana

« Mampiseho hatrany fa tena sakana ho an’ny fampandrosoana »


  • Zoma 25 Oktobra 2024

Tsy mbola nahita trangan-javatra mampanongo tena na «plus aberrant» nihoatra ny zava-nisy

tamin’ity fitondrana ity aho, hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka, Harifidy Ramanandraibe. Ao anatin’ny lalàna, hoy izy, dia voasoratra mazava tsara fa sazian’ny lalàna ny tsy fanavotana olona tandindonin-doza na ilay antsoina hoe «non assistance de personne en danger». Nahita ny kandida ho ben’ny tanàna eto Antananarivo fa tandindonin-doza ny mponina teny Andranomanalina. Ahiana hiakatra ny rano, izay tsy hita intsony ny azo hamaritana azy hoe mbola azo antsoina hoe «rano maloto» fotsiny ve ireny? Ny zaza sy ny ankizy eny amin’ilay faritra efa mangidihidy ary raha sanatria tonga izany ny fahavaratra amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana dia vao mainka asa fotsiny raha amin’izao fotoana izao aza efa ireny no zava-misy. Nisoroka izany ny kandida Tahina Razafinjoelina dia nanome asa ireo mponina teny hoe tsy maninona fa ireto ny fitaovana fa tanàna iaraha-manana ity. Ny nahagaga anefa dia tonga avy any ny sefo fokontany niteny hoe tsy azonareo atao ny fanadiovana an’io. Tonga avy any koa ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina dia hoe iza no nanome alalana anareo hanadio an’io. Ny mpitandro filaminana tena mba nantenaina hiaro ireo vahoaka madinika moa vao mainka koa nanampy trotraka. Iza izany no tena sakana ho an’ny fampandrosoana eto amin’ity firenena ity? Mampiseho hatrany fa tena sakana ho an’ny fampandrosoana ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny tenany. Tsy mbola nisy fitondram-panjakana nanakana olona tsy hanadio izany raha tsy teto. Ny tena mampalahelo, hoy ihany izy, dia iaraha-mahalala fa ny fitondram-panjakana no mahatonga ny delestazy sy ny fahatapahan-drano. Vokatr’izany dia fihariana maro no potika saingy tsy mahazo tezitra ianao, tsy mahazo maneho tsy fahafaliana ianao na mpanao volo io na mpanefy vy na mpanao «cyber» na mpivarotra trondro sy rehefa manana fihariana miankina amin’ny herinaratra sy rano satria raha tsy izany dia avy aminao ny entona mandatsa-dranomaso, avy aminao ny bala fingotra, avy aminao ny fisamborana nefa tsy hadisoanao no tsy manana rano sy herinaratra fa noho ny nataon’ilay fitondram-panjakana, hoy hatrany ny fanazavan’ity mpamakafaka ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT