Politique

Fitokanan-javatra teny Itaosy Nitaomana olona mihitsy mba hanamaroana isa ?


  • Zoma 30 Jona 2023

Ny Office National anti-tabac eny Itaosy no tokanana dia ny olona avy eny amin’ny Boriborintany faha-5 no taomina?

Io no fanontaniana napetraky ny mpanara-baovao sasany omaly teo anatrehan’ny fisian’ny lanonam-panjakana notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny Itaosy. Tsy ny fotodrafitrasa no ratsy, fa ny fomba ara-politika tao anatin’ny fitokanana no mety hampiady hevitra. Nandritra ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao omaly mantsy, dia nisy ny fanamarihana nandeha fa nisy andian’olona hafa ivelan’Itaosy notaterina avy amin’ny Boriborintany fahadimy. Mety hoe: delegasionina no hamaritana azy, fa misy avy hatrany no mandika azy ho endriky ny tsy dia fahazakan’ny Fitondrana olona intsony, ka tsy maintsy mitady izay fomba hafa hanamaromaro isa ny mpanotrona hoenti-maneho fa mbola maro vahoaka mpanohana. Efa fomba fiadin’ny mpanao politika sasany hatrany amin’ny propagandy rahateo no mitaona olona hanotrona any amin’izay toerana haleha, ka ny ankamaroan’ny hitanao eo amin’ny toerana iray ihany no ho hitanao any an-kafa. Ny resaka fisintonana olona amin’ny resaka artista malaza moa dia efa zary tandra vadin-koditra, ka ireny miampy fizarana t-shirt na zavatra indraindray no lasa mason-tsivana lasa hifidianan’ny olona ny kandida iray, fa tsy lanja sy ny lentan’ny fandaharan’asa ho an’ny vahoaka, hany ka zary voafitaka lava ny Malagasy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT