Politique

Fitiavan-tanindrazan’i Andry Rajoelina Vao miha mitombo ny fanontaniana manitikitika


  • Talata 18 Jolay 2023

Vao miha mitombo ankehitriny ny fanontaniana manitikitika mikasika ny fitiavan-tanindrazan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

izay ambeti-tenin’ny hatrany fa hananany sy tsy azo alana aminy. Efa mazava moa ny voalazan’ny sata mifehy ny zom-pirenena maha malagasy na ny andininy faha 42 sy ny namany, izay niadian-kevitra teo aloha saingy rehefa mijery ny sata maha olompirenena frantsay koa, etsy ankilan’izay dia maro ny fanontaniana manitikitika ny saina ary mampametra-panontaniana lalina hoe isan’ny antony tsy namalian’ny filoham-pirenena mivantana ny fanontaniana mahitsy napetraka taminy ny alahady teo ve izany mikasika ny hoe frantsay ianao sa tsia? Milaza ny andininy faha 23-8 ao amin’io sata mifehy zom-pirenena frantsay io fa antony mety haha very ny zom-pirenena frantsay tokoa ny fanatanterahana fanopoam-pirenena ara-miaramila amina firenen-kafa na rafitra iraisampirenena tsy hitondra tombony ho an’i Lafrantsa. Etsy ankilany koa anefa dia voafintina amina teboka miisa 3 mazava ny antony mety hahavery ny zom-pirenena frantsay. Mety ho isany ny fananana zom-pirenena hafa ankoatran’ny frantsay fa fanampin’izay ny fitondran-tena tahaka ny olompirenen’ilay firenena hafa. Ny fahatelo izay tena maha lasa saina dia ny hoe manary ny zom-pirenena frantsay koa ny fanaovana hetsika manohitra ny tombontsoan’i Lafrantsa. Izany hoe mbola tsy nanao hetsika manohitohina ny frantsay mihitsy ve izany ny filoham-pirenena malagasy? Fihetsiketsehana ivelany na koa hoe sinema fotsiny tokoa ve izany ireny hoe fitakiana ireo nosy manodidina tamin’ny 4 taona lasa mahery ireny? Hiaro ny tombontsoan’i Lafrantsa hatramin’ny farany ve izany no hipetrahan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, eo sy ny mety mbola hikirizany hijanona amina fe-potoam-piasana 5 taona manaraka indray ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT