Politique

Fitetezam-paritra Mitosatosaka hatrany ny fampanantenana


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Niazo an’I Nosy Varika indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina taorian’ny distrikan’i Mananjary.

Ity distrika ity izay isan’ireo lasibatra indrindra tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy satria nahatratra 46 244 ny traboina, ary olona iray namoy ny ainy. Nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina sy sahirana. Isan’ny natolotra tamin’izany ny vary 1 gony isan-tokantrano, menaka, sira, voamaina ary kojakoja samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Nampanantena fa hisitraka ny vatsin'ankohanana ihany koa ireo tokantrano ao Nosy Varika. Naseho fa efa tonga ao an-toerana ny karine misy QR Code hahafahana mandrindra sy manara-maso ny fisitrahan'ny tokantrano ireo fanampiana. Nambara fa hahazo masomboly sy fitaovam-pambolena ireo tantsaha ao an-toerana mba hahafahan’izy ireo manarina ny fambolena izay ravan’ny rivo-doza. Tsy adino ny fizarana “motos” hanaovana pi-maso amin’ireo ben'ny tanàna rehetra ao anatin’ny distrika izay efa ho lany fotoam-piasana, saingy akaiky ny fifidianana ka mila alaina ny fony. Nolazaina fa mba hahafanany manatanteraka araka ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana andrasan’ny vahoaka amin’izy ireo. Nomena ambulance 4x4 vaovao efa misy fitaovana ny kaominina ambonivohitr’i Nosy Varika. Ho tonga ao an-toerana ihany koa ny "caravane medicale" hanao fizaham-pahasalamana sy hitsabo maimaimpoana,... Nanambara ny Filoham-pirenena fa tsy maintsy harenina avokoa ireo fotodrafitrasa rava noho ny fandalovan’ny rivo-doza. Nampantena fampisitrahana rano fisotro madio ihany koa ka nilaza fa hafainganina ny fandavahana lava-drano. Nampanatena hopitaly manara-penitra. Nampanantena ihany koa fa hafainganina ny fanamboarana ny RN11, ary efa natomboka ny fanadihadiana ara-teknika samihafa,… Nolazaina fa efa ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny fanavaoazana ny làlana. Mitosatosaka hatrany ny fampanantenana ary rehefa tarafina amin’ny zava-misy sy ny fihetsiny, dia efa karazana “pré-campagne” mialohan’ny fifidianana no ataon’ny Filoha ankehitriny. Ny ankamaroany efa tsy zava-baovao intsony fa fampanantenana hatry ny ela tsy nety tanteraka…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT