Fitetezam-paritra, lanonam-panjakana

Hitohy any Ambatosoa amin’ity herinandro ity


  • Alatsinainy 21 Jolay 2025

Mitohy ny lanonam-panjakana sy fihetsiketsehana samihafa.

Hitohy any amin’ny Faritra Ambatosoa indray ny fitetezam-paritr’i Andry Rajoelina amin’ity herinandro ity. Misy distrika roa mirakitra azy ity faritra vaovao ity: i Mananara Avaratra sy Maroantsetra. Tamin’ny volana aogositra 2023, dia nanambara ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) fa manaraka tanteraka ny Lalàmpanorenana ny fananganana an’i Ambatosoa ho faritra, rehefa nosarahana tamin’Analanjirofo. Fotoana hanamarihana ny maha faritra feno an’Ambatosoa noho izany ny dian-dRajoelina, izay hanaovana fety makotrokotroka samihafa indray. Andrasana any Maroantsetra sy Mananara Avaratra ny 25-26 Jolay. Ao Maroantsetra, renivohitry ny faritra Ambatosoa, no hisy ny lanonam-panokafana ny tranoben’ny prefektiora vaovao. Efa voatendry ihany koa ny governora voalohany hitantana ity faritra ity, dia Atoa Louis Velombita Rabefenara, izay nitana ny toeran’ny lehiben’ny distrika teo aloha. Fanapahan-kevitra navoakan’ny Filankevitry ny Minisitra farany teo no nanendrena azy. Hisy fanolorana hopitaly “manara-penitra”, tsena vaovao ary kianja ara-panatanjahantena ao Maroantsetra amin’ny zoma 26 Jolay. Any Mananara Avaratra, hisy fanokafana toby famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro sy kianja “manara-penitra” ihany koa. Tsiahivina fa tamin’ny volana jona 2023 no nanambara ny famoronana ny faritra Ambatosoa ny filoha, nandritra ny fitsidihan-dRajoelina mivady tany Maroantsetra. Mitohy hatrany izany ny fihetsiketsehana sy seho ivelany samihafa hanehoana fa miasa ny Fanjakana. Betsaka anefa ireo toe-javatra maneho sy manamafy fa miha milentika ny Fanjakana, miha potika ny toekarena, miha sahirana ny Malagasy,… saingy sarontsaronana amin’ny propagandy toa efa fanomanana ny saim-bahoaka amin’ny mety ho kajikajin’ny 2028 !
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT