Fitantanana tsy mazava

Fa lasa aiza ny vola "pension" an'ny miaramila sasany e ?


  • Alatsinainy 28 Aprily 2025

Manomboka miseho ny fahasosorana vokatry ny fitantanana tsy mazava ny vola fisotroan-dronono ho an'ny miaramila.

Raikitra ny ampamoaka sy fanairana fa mbola tsy nahazo ny vola fisotroan-drononony na "pension" ireo miaramila nandeha fisotroan-dronono nanomboka ny aogositra 2024. Tsy nahazo fisotroan-dronono hatramin'izao. Nankaiza ny vola? Nisy nanodina ve ny vola? Nisy nampiasa ve ny vola? Nisy nampiasa nikasana hakana tombony ? Hoy ny fanairana mandeha. BIZINA ? Efa misy olona voalaza fa tratry ny fanenjehana mikasika io raharaha io. Mbola taratry ny fitantanana tsy milamina sy tsy mangaraha ny volam-panjakana raha tena nisy tokoa ny fanodinkodinana na fampiasana izany tamina zavatra hafa. Zava-misy fahita sy fandre eto rahateo ny fampiasana ny volam-panjakana amina bizina avo lenta hakana tombony ary averina avy eo. Olona mandeha fisotroan-dronono izany dia azo lazaina fa nahavita be, nandany ny hatanorany tamin'ny asam-panjakana kanefa izany no manjo. Ny miaramila aza tratran'izany, mpiasam-panjakana aza izany no mahazo azy, tsy mahazo ny volany,... Atao mahagaga ve raha mailo hatrany ireo sehatra tsy miankina mpanao asa amin'ny Fanjakana amin'ny resaka tsenam-barom-panjakana toy ny fanamboarana lalàna, fotodrafitrasa, asa samihafa,... raha mailo? Atao mahagaga ve raha betsaka no tsy rototra sy mitandrina mafy satria manahy ny tsy ho voaloa vola? Atao mahagaga ve avy eo raha mandeha ny kiantranoantrano sy bizina maloto no manjaka rehefa Kivy ny hafa satria izay tsy voahilika voarirarira ny vola?
Toky R
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT