Ho fanampiana ny vahoaka malagasy dia natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny sabotsy maraina teo tetsy Ambatobe
ny fizarana vatsy tsinjo ho tantsoroka ho an’ny mponina eto Antananarivo sy ny faritra rehetra eto Madagasikara ka tonga nanotrona izany teny an-toerana, izay fokontany fonenany, ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hoy ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Nambaran'ny filoham-pirenena nandritra izany fizarana izany fa somary gaga izy raha nahita ireo vahoaka marobe nilahatra izay mitondra harona kely avokoa. Ny miaraka amiko, hoy izy, tsy harona kely fa gony avy hatrany fa efa fomba fanao fahiny izany. Nambaran'ny filoham-pirenena ihany koa fa mbola maro ny fanomezana sy fanampiana hatolony ho an'ny vahoaka sahirana sy ny vahoaka malagasy rehetra. Marihina fa ny sabotsy teo dia nifanindry indrindra tamin'ny andro nankalazan'ny filoham-pirenena mivady ny tsingeritaona nanamarihana ny fanambadian'izy mivady ka izao no nentiny nanamarihana izany. Ny avy ato amin'ny faritra Analamanga dia mandray anjara amin'ny fizarana eraky ny boriborin-tany eto Antananarivo, hoy ny governoran’ity faritra ity. Hita ho miainga indray, araka izany, ny tapi-maso manoloana ny fitantanana tsy mahomby, hoy ny filazan’ny mpanara-baovao azy izay. “Caravane médicale” na hoe fiahiana ara-pahasalamana mitety trano izany, raha adika tsotsotra, fizarana vatsy tsinjo, zoma fanampiana; Elaela tsy nahenoana izany rehetra izany fa dia ireo indray izany izy ireo fa nampanadinoana vetivety ny hamafin’ny fiainana eto Antananarivo. Antananarivo irery ve anefa no Madagasikara, hoy ilay fanontaniana nalaza fahiny izay?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.