Politique

Fitantanana sy fampiodinana firenena Tena tsy misy voafehin’ny fanjakana intsony


  • Zoma 24 Martsa 2023

Mena ny tondro rehetra, tsy misy zavatra tena voafehin’ny Fitondrana ankehitriny intsony eto, fa mitotongana sy mikorosy fahana ny ankamaroany.

Ny toekarena efa tena ambony ambany, ny sosialy miha fadiranovana ny vahoaka Malagasy,… Taratr’izany ireny tatitra nataon’ny World Happiness Report ireny fa isika no firenena faha-11 tsy sambatra indrindra maneran-tany Refesina amin’ny harin-karena faoben’ny firenena, ny tontolon’ny fahasalamana, ny fahalalalan-tànana, ny fanohanana ara-tsosialy, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fifampitsinjovana amin'ny samy maha olona izany, ka avy amin’ireo no ivoahan’ny hoe: sambatra sa tsia ny firenena iray? Mbola ireny niaraha-naheno ireny ihany koa ny tatitry ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) fa mahatratra 11,5% ny tahan’ny sondro-bidim-piainana na “inflation” izay ialokalofan’ny fitondrana hatrany fa noho ny zava-misy iraisam-pirenena, ny fiakaran’ny saran’ny fitaterana entana amin’ny sambo sy fiaramanidina,… Taterina amin’izany ve ny vary gasy vokarin’ny tantsaha, ny anana, ny hena, ny zava-drehetra vokarina eto? Mitotongana ny fahefa-mividin’ny Malagasy saingy tsy manam-bahaolana ny fitondrana. Ny làlam-pirenena io iaraha-mahita io fa potika ny ankamaroany, Antananarivo aza eto amin’ny talaky maso eto potika sy rotika mainka fa ny hafa? Ny ara-toekarena, toa manaraka ny onjany sisa, mitotongana ny fihariana samihafa, mijaly ny mpandraharaha manam-bola amin’ny Fanjakana, mikorosy fahana ny orinasam-panjakana maro,… Ny fampianarana ambony grevy lava, mivadika any amin’ny herisetra satria toa ilaozana mifandrirarira sy mifanome tsiny na mifamingana. Lalaovina ny fiainan’ny tanora Malagasy, atao tsirambina ny fanabeazana sy ny fampianarana,… Ny fitantanan-draharaham-panjakana, betsaka ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny, tsy fanajana lalàna, kolikoly, tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana. Ny Fanjakana Foibe tokony hanampy ireo kaominina indray no mitsetsitra manao kely tsy mba mamindro, raha tarafina amin’ny manjo ireo kaominina any amin’ireo kaominina any Alaotra Mangoro sy Atsinanana manodidina ny 25 tokony hisitraka ny latsakemboka avy amin’Ambatovy saingy nakepoky ny Fanjakana foibe ny azy ireo raha ny fitarainana efa hatrany amin’ny 2022. Ny resaka fandriampahalemana izay nanaovana ronono an-tavy tamin’ny propagandy dia io iaraha-mahita io: kidnapping, fanafihana mitam-piadiana,… hatramin’ny volam-pamangiana aza misy manafika. Ny fanatanjahatena aza moa io iaraha-mahita io ny baolina kitra rehefa nampidirana lonilony politika sy nampanarahana ny sitrapon’ny mpitondra ny resaka fanazavana ny ekipam-pirenena,… Izao ve no mbola hiziriziriana sy hanaovana amboletra hibodoana fahefana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT