Politique

Fitantanana sy fampandrosoana ny tanàna Tsy tokony ho sakana ny loko politika


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Niainantsika teo amin’ny tantara amin’ny tsy fitovian’ny firehana eo amin’ny voafidy ho ben’ny Tanàna sy ny fanjakana.

Nisy hatrany ny disadisa sy fifanolanana. Tranga isany nanamarika ny fankalazana ny fetim-pirenena farany teo ny fahitana an-dRtoa Lalao Ravalomanana niaraka tamin’ ny samboady teny am-balahany nivonona handray sy hiarahaba ireo filoham-pirenana roa tonta. Tsy nisy ampaham-potoana nisehoan’izay fiandraisana am-panajana izay anefa tamin’iny andron’  ny 26 jona iny. Madagasikara dia mandala ny demokrasia. Samy voakasik’izany ny vahoaka , mpitondra ary ny mpanohatra. Midika izany fa tokony hajaina ny safidin’  ny vahoaka. Raha ohatra misy ben’  ny tanàna miaraka amin’ ny fitondrana no eken’  ny vahoaka dia izy no mahefa aloha. Misy kosa ben’  ny tanàna tsy mitovy firehana politika amin’ny fitondrana dia izy no mahefa aloha satria izy no efa lanim-bahoaka. Tsy tokony hiankina amin’  izany loko politika izany ny fampandrosoana fa ny tena filàna ifotony eo amin’  ny vahoaka no hametrahana fiarahamiasa. Ny tena miara-miasa mantsy dia ny ben’  ny tanàna sy ireo solontenam-panjakana ary indrindra ny Minisiteran'ny atitany sy fanapariam-pahefana. Mila samy manaja lalàna ary  mifampiresaka amin-kitsi-po ny andaniny sy ny ankilany. Mifanaja na na dia tsy mitovy hevitra aza. Mila mifanome tanana, mitady miaraka ny fomba iaraha monina anaty fitoniana sy filaminana. Mila miara-manorina ny ho avin’ i Madagasikara isika na eo aza ny firehana politika mifanohitra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT