Fitantanana ny volan’ny CIAD

Nisy ny fanovana nentin’ny governemanta


  • Alakamisy 07 Desambra 2023

Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly

6 desambra 2023 ny fanovàna entina eo amin'ny fomba fampiasana ny sorabola momba ny fampiasam-bola hamokarana natokana ho fanohanana ny fampandrosoana na "crédit d'investissement destiné à l'appui au développement" (CIAD) izay natao hampiasain'ireo Solombavambahoaka. Ity fanovana ity dia mahakasika ireo Distrika izay manana Solombavambahoaka miisa roa. Manomboka izao, raha ny voalaza, dia azo zaraina roa mitovy ireo CIAD ka afaka samy mandrafitra ireo programan'asa mifandraika amin’izany avy ny Solombavambahoaka tsirairay. Tsy takiana intsony ihany koa ny sonian'ireo Solombavambahoaka roa tonta, fa samy manao sonia tsirairay izy ireo miaraka amin'ny mpanalalana na "ordonnateurs", amin'ny fampiasana ny ampahan'ny sorabola natokana ho azy. Ny tahan'ny sorabola hividianana solika kosa dia ferana tsy hihoatra ny 35% ny sorabola voasoratra ao amin'ny kaonty 23174 mikasika ny fitaterana sy ny famitana iraka na "Transport et missions, hoy hatrany ny tatitra. Nambara fa io fanovana ity no natao moa dia mba hitondrana fanatsarana eo amin'ny fampiasana ireo CIAD eny anivon’ireo Distrika voakasikizany. Hosoritana ao anatin'ny toro-lalana momba ny fanantanterahana ny tetibola na "circulaire d'exécution budgétaire" ity fanována ity, hoy hatrany ny mpanatanteraka. Tsara ny manamarika fa eo amin’ny 250 tapitrisa Ar isaky ny depiote eo ity tetibolan’ny CIA ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT