Fitantanana ny Firenena

Ny Praiminisitra no hitondra ny baolina


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Tsy miverina ny sary tamin’ny 2018 taorian’ny fametraham-pialan’ny Filoham-pirenena tamin’izany fotoana,

ka niakaran’ny Filohan’ny antenimierandoholona hitantana vonjimaika ny firenena raha kandida ny filoha am-perin’asa, araka ny voalazan’ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana. Tsy nisy izany ny didy fakan-tahaka na “jurisprudence” niainga tamin’iny, fa niova ny sary. Efa nidika zavatra ny fangatahan’ny Praiminisitra fanazavana na “avis” avy amin’ny HCC mikasika ny tapany faharoa amin’io lalàmpanorenana andininy faha-46 tapany faharoa io nialohan’ny fametraham-pialan’I Andry Rajoelina. Namoaka ny HCC ny sabotsy teo, fa nametra-pialana ny filoham-pirenena ny 09 septambra ary voamarina ny fahabangan-toerana, nandà ny fandraisana ny fahefana ny Filohan’ny antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa tamin’ny alalan’ny taratasy napetrany teny amin’ny HCC ny 08 septambra, ka ny Governemanta tarihin'ny Praiminisitra Ntsay Christian no miara-mitantana ny firenena. Ny Praiminisitra Ntsay Christian no mitondra vonjimaika ny firenena, araka ny fanapahana laharana faha 12-HCC/D3 ny 9 septambra 2023 noraisin'ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Tena tsy nisy ve ny tsindry tsy hanomezana ny fahefana tamin’Atoa Herimanana Razafimahefa? Rajoelina ve 09 septambra no efa fantatra fa hiala dia izy aty amin’ny 08 septambra vao hoe: tsy hanao aho, izay toa hafahafa ihany raha resaka fitantanana ny firenena no miseho ny tahaka izany. Eo dia efa ahitana fa nisy endrika toe-draharaha mafampana tao. Atoa Herimanana Razafimahefa izay ny sabotsy io dia mbola nilaza fa tena salama sy anatin’ny heriny tsara, ary vao avy nanao “cyclisme” 5km aza. Heverina, fa paikady hoenti-mifehy ny fitantanan-draharaham-panjakana sy kajy ara-pifidianana no anton’io fanapahan-kevitra io. Tsy nisy endrika fanonganam-panjakana niainga tamin’ny andrim-panjakana na “coup d’Etat institutionnel” ihany ve ny zava-nisy hoe: ilay Filohan’ny antenimierandoholona eo kanefa tsy izy izay voafaritra voalohany fa mandray ny fitantanana no tokony hitondra azy vao ny governemanta raha tsy eo izy fa kandida?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT