Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.
Nanao toy izany koa ireo fikambanana avy ao Fenerivo atsinanana tamin’ny fametrahana ny governemanta farany teo, noho izy ireo nampiseho fitia tamin’ny filoha ka miandry ny valim-pitia avy taminy nefa lasa rano an-damosin’ny gana ny zava-nisy. Noho izany dia manomboka mampiaka-peo sy mivoaka amin’ny fahanginany ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana ao Toamasina ireo. Ireo eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany, ny fadintseranana, ny sampandraharaha ny hetra, …ary ny sampandraharaha ny tetibolam-panjakana no tena efa re mitroatra amin’izao. Mahita izy ireo fa tena anjorom-bala foana tato ho ato izay, nefa misy ihany ireo nianatra tamin’ireo sekoly ambony mpanofana ny mpiasam-panjakana taorian’ny fifaninanana natao ; ary eo ireo efa manana traikefa manokana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ohatra velona fanaovana anjorom-bala ny zanaky ny faritanin’i Toamasina ny zava-nisy nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny 14 aogositra 2019, izay ny zanaky ny faritra sy ny faritany avokoa no notendren’ny filan-kevitry ny minisitra hiasa sy hampandroso ny faritra sy ny faritany niaviany avy, afa-tsy ny zanaky Toamasina ihany. Ny fampandrosoana isam-paritra anefa dia miainga amin’ny fanandraisan’andraikitry ny zanaky ny faritra sy ny faritany niaviany avy. Amin’izao anefa ilay sehatra ahafahana mandray fanapahan-kevitra ara-panjakana mihitsy no esorina amin’ny zanaky Toamasina avokoa. Efa mikasa ny hampihatra ny fijitsaram-paritra tena izy raha teo ny fanjakana malagasy, ho avy koa ny fametrahana ny governora ka takian’izy ireo ny fametrahana ny zanaky Toamasina hisahana izany andraikitra izany raha tonga ny fametrahana izany. Eo koa ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny sampandraharahan’ny hetra izay mitaky ny fametrahana ny lehiben’ny foibem-pitantanana ankapobeny ny hetra , sy ny rantsa-mangaikany amin’izao, ho zanaky ny faritra no hapetraka amin’izany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.