Fitantanana ny firenena

Io fa mikatso ny fitondrana Rajoelina


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Toa lasa angano angano arira arira sisa ilay fanambarana

mipoapoaka nataon'i Andry Rajoelina tamin'ny propagandy 2018 nanao hoe : " raha ireo mpamatsy vola mahazatra ireo no andrasantsika dia tsy handroso mihitsy i Madagasikara na 20, 30 eny na ao anatin'ny 60 taona aza".
MIVELOMA AMIN'NY FANAMPIANA
Vola hanaovana teleferika trosaina amin'ny frantsay, fanampiana ny isan-tokantrano sahirana, trosaina amin'ny banky iraisam-pirenena, fanarenana ny jirama, mbola manindry mafy ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) sy ny banky iraisam-pirenena, fanamboaran-dalana sy tanàna vaovao, eo ny eoropeana sy ny arabo. Tohana ara-bola mba tsy hampivaralila ny tetibolam-panjakana, vola alaina any amin'ny FMI amin'ny alalan'ilay tetikasa fanampiana ny firenena mahantra fadiranovana atao hoe FEC. Mbola tsy resahana amin'izany ireo tetikasa maro be mandeha eto tohanan'ny Amerikana sy ireo sampandraharahan'ny firenena mikambana toa ny USAID, OMS, FAO sy PNUD. UNICEF.
KABARY NO BETSAKA
Raha tsy teo ireo fikambanana iraisam-pirenena sy mpamatsy vola mahazatra ireo efa tsy hay intsony izay nahazo ny vahoaka teto. Ny antony dia tsotra : kabary no betsaka fa maivana be ny paika sy tetika ary asa nentina nanatanteraka ilay vina sy velirano. Ny vava be no lasa aloha, ankehitriny tena tahaka ny hoe lasa takalon'aina ny firenena sy ny fiainam-bahoaka. Ilay fitondram-panjakana efa mazava be fa tsy manam-bola ka tsy afaka misahana tanteraka ny fiahiana ny fiainam-bahoaka sy ny fampiroboroboana ny toekarena amin'ny alalan'ny fanomezana sehatra maha te hiasa ho an'ny sehatra tsy miankina. Ny sehatra iraisam-pirenena kosa mitandrina be sy mailo amin'ny fanomezana na fampindrama vola, firenena anisan'ny anjakan'ny kolikoly mantsy i Madagasikara no sady tsy mangarahara ny fitantanana, be loatra ny afera maizina.
TSY FAHAIZANA MITANTANA
Inona no vokatr'izany rehetra izany : tsy mety tafatsangana ny governemanta, praiminisitra efa fantatra tsara izao fa tsy azoazon'ny rehetra na eto an-toerana na any ivelany no mbola tendrena ihany. Sarotra ho an'ny mpiara-miombon'antoka ny hiasa miaraka amin'ny olona efa mampiahiahy azy. Dia io fa mikatso ny asa, mikatso ny fitondrana Rajoelina, mikatso ny fampandrosoana ny firenena. Feno kitoatoa , zavatra maimaika, atao tsy am-piheverana eto : arao ny tetikasa tanàna vaovao, 5 taona aty aoriana tsy hita marina hoe ahoana. Atao ny train urbain ay teleferika, notokanana dia hoe amin'ny 2025 vao tena miasa. Novaina endrika ny kianjan'i Mahamasina ary natao hoe Kianja Barea manara-penitra, kanjo tsy lany "match" hampiantrano lalao iraisam-pirenena. Miteraka fahasosorana sy ahiahy izany rehetra izany ary manaporofo hatrany fa tena misy tsy fahaiza-misafidy ny laharampahamehana eto, misy tsy fahaiza-mitantana.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT