Politique

Fitantanana ny firenena Ilaina ny fotodrafitrasa, fa ahoana ny fari-piainan’ny vahoaka ?


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Anisan’ny imatimatesan’ny fitondrana amin’izao fotoana, eny efa hatramin’ny nitantanan’i andry Rajoelina ny tetezamita (2009-2014) ny fananganana fotodrafitrasa etsy sy eroa izay nantsoina hoe manarapenitra : kianja, sekoly,

toeram-pitsaboana, biraom-panjakana, toeram-pilanonana sy fialamboly, toerana fitsangatsanganana. Tsy misy maharatsy ny fanorenana sy fananganana mihitsy, fa ny mahatonga ny adihevitra tsy mety vita dia ny hoe : ny trano mijoro mirentirenty, fa ny olona, ny vahoaka miha mahantra ary ny manahirana rehefa avy eo dia tsy voakojakoja, tsy voakarakara araka ny tokony ho izy ireo trano najoro.Ny loza aza dia misy ireo tsy manara-penitra mihitsy fa mitriatra sy ahitana simba na dia mbola tsy notokanana akory aza. Noho ilay izy manenjik’isa ve ka lasa asa maimaika sa nandeha ny resaka kolikoly sy ilay mametraka kely ka kitoatoa ny zava-bita. Tahaka ny ao Toamasina izao dia hita ho tsara sy manjelanjelatra tokoa ilay tetikasa MIAMI, fa hanao ahoana ny fikarakarana an’io rehefa avy eo, ahoana ny fandaminana ho an’ny olona hiditra ao.Ahoana ny vola aloa satria mazava ho azy tsy maintsy hisy ampahany misy sarany io fa tsy hoe atao maimaimpoana indray dia avy eo lazaina fa tsy misy vola natokana ho amin’ny fikojakojana sy ny fikarakarana tahaka ny mitranga amin’ireo lalana rehetra eto Madagasikara. Fa ankoatr’izay tena mila jerena akaiky ihany koa ny hanatsarana ny fari-piainan’ny olombelona, ny vahoaka, ny mponina fa tsy ho tambatambazana sy hanaovana fanapena-maso amina fotodrafitrasana manjelanjelatra be fotsiny. Na hikarakarana fampisehoana isaky ny faran’ny herinandro dia mifalifaly sy mamomamo eo dia hoe hanadino ilay fahasahiranana efa any an-tsosokoditra ve.Ilaina ny trano fa mila karakaraina ihany koa ny olombelona.raha mahita famatsiam-bola hanamboaraka kianja filanonana sy filalaovana, dia inona moa no tsy ahitana loharanom-bola sy mpamiasa vola hanangana orinasa, hanome asa ny olona sy mametraka fanampiana ara-tsosialy ho an’ireo tena marefo ?
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT