Dimy taona latsaka izay no nisian’ny fanonganam-panjakana ara-dalàna teto Madagasikara. Nalana tamin-kery ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka. Noravana tsotra izao ireo andrim-panjakana telo mandrafitra ny maha repoblika ny firenena Malagasy.
Marobe tsy voatanisa ireo fampanantenana sy lokaloka natao tamin’ireo olom-pirenena resy lahatra nanohana ny hetsi-bahoaka tamin’ny taona 2009. Niha nahantra ny mponina eto Madagasikara raha afaka nigalabona sy nanao izay danin’ny kibony ary nanjaka tokana tamin’ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ireo harenam-pirenena an-tanety, an-dranomasina sy ankibon’ny tany ireo mitonona ho mpitondra ny hetahetan’ny mpiray tanindrazana tamin’ny alalan’ny fanovana ny didy jadona sy ny lazaina fa ampihimamba ny fananam-bahoaka. Nandritra izay fe-potoana iray nitantanan’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ny firenena izay dia rendrarendra ivelany toy ny fetifety an-kalamanjana sy fanafarana mpanakanto vahiny malaza miaraka amin’ny fandefasana afomanga no nentina nampifaliana ny sarababem-bahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny telo taona farany izay fotoana nolalaovina tamin’ny fankalazana ny fitsanganan’ny repoblika fahefatra. Omaly alarobia 11 desambra 2013, hono, mantsy ny fahatelo taonan’ny Repoblika fahefatra eto Madagasikara na dia mbola miaina ao anatin’ny rafitra tetezamita aza isika. Tsy mbola mankato ny fijoroan’ny Repoblika fahefatra rahateo na ireo olom-pirenena maro an’isa na ireo firenena vahiny mpiara-miombon’antoka amintsika. Soa ihany fa hifarana tsy ho ela ity sarimihetsika mampihomehy sady mampalahelo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.