Politique

Fitantanana manara-penitr’i Rajoelina Hanondrana vary no nolazaina, “tsaky pop” sy vary stôky no tonga…


  • Zoma 03 Febroary 2023

Miharihary amin’io fihetsiky ny Filoha Rajoelina amin’ny fizarazaran-javatra tany Marovoay io ny fampanantenana poakaty sy kabary an-tendro molotra.

Tsy ny fizaran-javatra no ratsy, ar ilaina tokoa ny fifanampiana ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Na izany aza, miharihary hatrany ny politikan’ny vonjy tavanandro sy ny kisehoseho hakana fom-bahoaka satria akaiky ny fifidianana. Mifanohitra ihany koa ny zavatra nambara sy ny miseho ankehitriny. Raha hahavita tena ara-tsakafo amin’ny maha sompitra ara-bary azy sy hampiroborobo ny fambolena ary hanondrana no nampanantenaina, 4 taona aty aoriana dia I Marovoay indray no lasa vatsiana vary “stôky” satria tsy nisy politikam-pamokarana mazava fa aty amin’ny faran’ny fe-potoana iasana vao manao fihetsika hakana ny fon’ny olona. Raha hiverenana ny propagadin-dRajoelina tao Marovoay ny 15 oktobra 2018, “ny fialana amin’ny fambolena nenti-paharazana ho any amin’ny fomba fambolena mampiasa fitaovana avo lenta sy manara-penitra dia anatin’ny vinan’ny IEM. Ao anatin’ny fotoana fohy dia hahaleo tena amin’ny resaka vary I Madagasikara. Tsy ho ela dia afaka hanondrana vary any amin’ny ranomasimbe Indianina I Marovoay. Famatsiam-bola goavana no nomanina hanamboarana tohodrano lehibe hahafahana mampiditra rano ho an’ireo tanimbary ao Marovoay ka hahafahan’ireo mpamboly mampitombo ny vokatra”, hoy izy. Taona maromaro aty aoriana, aiza ho aiza amin’izany fampanantenana izany ny vokatra? Raha tena notanterahina ny fampanantenana sy fanamby tsy mbola hiaina ao anatin’ny politikan’ny “tsaky pop” nolovaina tamin’ny Repoblika faharoa no tonga!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT