Politique

Fitantanana kaominina Isan’ny olana ny ara-bola


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Isan’ny olana sedraina eny anivon’ny kaominina ny olana ara-bola, hoy ny ben’ny tanànan’ny kaominin’Anosizato sady filohan’ireo fikambanan’ny ben’ny tanàna vehivavy, Andriambololona Laurence.

Miankina amin’ny kaominina tsirairay io, hoy izy. Efa nampitomboina 30 tapitrisa Ariary izao ny famatsiana avy amin’ny fanjakana hahafahan’ny kaominina miasa. Isaorana ny fanjakana nanondrotra izany ho avo 2 heny satria 15 tapitrisa Ariary izany teo aloha. Ho an’ny ben’ny tanana vehivavy dia mbola tsy nisy hatreto ny hoe tsy nahaloa karaman’ny mpiasa. Tsy maintsy misy ny indro kely amin’ny fitantanana, na izany aza, satria eto amintsika moa tsy misy hoe sekoly ho an’ny ben’ny tanana. Olana sedraina ao anatin’izao rotsak’orana izao, ohatra, ny fahatapahan-dalana sy fahasimbana fotodrafitrasa isan-karazany izay tsy ampy ny tetibola hanatanterahana izany eo anivon’ny kaominina, hoy hatrany ny tenany. Miisa 94 moa ireo ben’ny tanana vehivavy mikambana anaty fikambanan’ny ben’ny tanàna vehivavy eto Madagasikara, hoy kosa ny fanamarihany.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tanànan’Anosizato

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT