Mila mailo ihany ny Prezda kolonely Michael,
hoy ny resaky ny olona mandinika ny zavamisy amin’izao fotoana. Misy te hampiseho amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana arahana serasera mantsy hoe io fa tsy maha tafavoaka baolina ilay fitondrana milaza fa hametraka ny fanovana, raha ny fijerin’izy ireo. Iny aloha efa voaresaka hatrany am-piandohan’ny tolona ihany fa tsy ho mora ny manova ary mandeha ny fohy ezaka, antenan-tenan’ezaka izay vao ny lavitr’ezaka. Tsapa kosa anefa fa misy ireo mitady ny fomba rehetra tsy aha-marin-toerana ny fanjakana vao nijoro iray volana . Mazava ho azy fa mbola manana ny olony any anaty rafitra sy sampandraharaham-panjakana any ny fitondrana teo aloha ; efa napetraka mazava anefa hoe tsy ny olona no olana fa ny fomba fiasa. Ka raha misy ireo tsara fomba fiasa, nanova ny fomba fiasa ho mety kokoa, inona no olana. Fa raha misy kosa no sanatria manao izay hanakorontanana fotsiny, tsy mety fa mila jeren’ny fanjakana akaiky. Fantatra tsara ny marary ny isan-tsehatra, tena mafy ny manjo ireo mpampianatra mpanabe am-polo-taonany. Mizaka ny mafy ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy, niharan’ny tsindry sy fanaparam-pahefana tsy roa aman-tany ireo mpiasan’ny fadintseranana ; mitovitovy amin’izay ihany koa ny nanjo ny mpiasan’ny fandrefesan-tany sy fananan-tany. Ny olan’ny isan-tokantrano amin’ny jiro sy rano tena manimba fiainana ; mikaroka andro aman’alina ny vahaolana momba ireny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblika miaraka amin’ny governemanta, misy ny azo atao haingana tahaka ny mitranga eny amin’ireo oniversitem-panjakana ka hametrahana « plaques solaires » haokatra herinaratra, ho vita ny asa ato anatin’ny 2 volana. Efa mandeha ny asa fa ny mpitazana moa tsy maintsy mahita tenenina foana, hoe aiza ihany . Izay ilay fandemen-tsaina, ary tsy tokony ho adinoina fa 7 taona nitantanana ny firenena ry zareo fa tsy nahita vahaolana mihitsy amin’ny delestazy sy ny fianaran’ny zanaky ny Malagasy.
(Sary fanehoana)
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.