Politique

Fitantanan-dRajoelina 2019-2023 Iza no sahy miteny fa nandroso i Madagasikara ?


  • Zoma 10 Martsa 2023

Rehefa mandinika ny fitantanan’izao fitondran’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, izao dia tsy hay ny tsy ho lasa saina sy ho latsa-bava hoe sahy izay miteny fa nandroso i Madagasikara tato anatin’izay 4 taona izay.

Iza tokoa moa izany no sahy hiteny fa nandroso i Madagasikara tao anatin’ny taona 2019-2023? Ny matetika fanehoan-kevitra heno amin’ireo mpanohana ny fitondram-panjakana ankehitriny dia ny hoe manohana ny filoham-pirenena amin’ireo asa fampandrosoana tarihiny na teo aza ny nafitsoky ny COVID sy ny ady tany Okrainina. Ireo foana moa izany no nolazaina fa nanakana ny fampandrosoana ankoaty ny mpanohitra na dia maro aza ireo mpamakafaka miaiky fa tsy misy mpanohitra eto na misy ihany fa malemy tsy toa izao fitondrana izao tamin’izy ireo teo amin’ny toeran’izay mpanohitra izay. Ny firenena maro efa saika tafarina daholo taorian’ny olana naterak’izay krizy iraisampirenena voalaza teo izay ary mazava fa firenena miisa 5 ihany isika izao ankehitriny no tena latsaka anaty fahantrana. Tsy mety tafala ao anatin’ireo I Madagasikara, izay sady tsy misy ady an-trano no tsy hoe lasibatry nyloza voajanahary mahery vaika isan-taona ; saingy ny mpitondra sy ny mpiaradia aminy anefa manoloana izany mbola mahita fialana bala foana. Ny ben’ny tananan’ny renivohitr’ilay firenena nirehareha fa hitsotsotra mihitsy ny tenany hampandroso an’ity Antananarivo tananantsika ity satria efa mitovy loko izao ny mpitantana ny tananan’Antananarivo sy ny fanjakana foibe. Ny hita miharihary anefa dia tsy mety mazava hatramin’izao ny fampiasam-bola eo anivon’ilay kaominina sy ireo rafitra azo lazaina hoe naorina tato anatin’izao fitantanana izao toy ny SMGD sy SMA. Tsy misy mpaka ny fako. Feno lavaka ny arabe. Potika Antananarivo. Potika koa anefa ny lalana manerana ny nosy. Mbola manjaka ny tsy fandriampahalemana. Hatramina olona nahavita nanapa-dohan’olon-kafa sahy mampiranty ny habibiana vitany eny amin’ny tambazotran-tserasera. Ny vidim-piainana midangana efa ho isan’alina. Tsy mila miatdy fanazavana hafa fa tena tsy fahaiza-mitantana tsotra izao sy tsy fahaizana mametraka ny tena laharampahamehana no fototry ny fahavoazana e !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT