Mampiteny ny moana ny zava-misy eto Madagasikara fa tany anisan’ny manana ny otrikarena betsaka indrindra eran-tany, ampy amahanany ny mponina ao aminy kanefa tafiditra ho anisan’ireo firenena dimy mahantra indrindra aty Afrika
Raha atao indray mijery ny toe-draharaham-pirenena dia toa milamina sy mirindra saingy rehefa idirana lalindalina dia mampangorintsina ny zava-misy satria tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny raharaham-panjakana. Tsy misy raha manjary e ! Nodradradradraina fa “hatao hazalambo izay mpanondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena toy ny andramena”, hoy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean izay nieritreritra ny hanangana Fitsarana manokana kanefa ny tratra sy efa nampidirina am-ponja fa nangalatra harem-pirenena mitentina miliara maro omena fahafahana vonjimaika indray ary avela handositra any Sina. Tsy misy raha manjary e ! Tsy misy tsy mahalala fa i Sina no fiondranan’ny andramena Malagasy miala an-tsokosoko eto, kanefa na in-dray mandeha aza tsy mbola mba nitaky fanazavana tamin’ny ambasadaoro sinoa isika toy ny nataon’ny Fanjakana maorisianina. Ny hany mba heno dia hoe : niadivan’ny vadin’ireo olona ambony, izay tsy hay intsony izay andraikiny amin’ny fitantanana ny firenena, indray ny ekôlazy. Raha tsy izay indray dia ny mandany vola amin’ny fiantsenana any amin’ireo mangazay lehibe any andafy no andanian’izy ireo ny volam-bahoaka.
Mampitsangam-bolo
Etsy an-kilany dia mitsangam-bolo ny tena maheno fa sekolim-panjakana miisa 300 no eo ambany fitantanan’ny Tale FRAM izay tsy mbola mpiasam-panjakana raikitra ary tsy mbola voaloa ara-dalàna koa ny karamany. Tsy misy raha manjary e !
Ny mpitandro ny filaminana nantenain-kanirina amin’ny ady amin’ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana indray no mampivandravandra amin’ny fanaovana an-keriny fananan’olona sy mandatsak’aina tsy manan-tsiny matetika. Mahamenatra ny trosa tsy voaloan’ny fanjakana etsy sy eroa. Singanina amin’izany ny an’Ambatovy izay tsy latsaky ny 170 tapitrisa dolara amerikanina. Ny an’ny mpamatsy solika izay saika tsy nety nandray ny taratasin-tsolika intsony noho ny trosa misavovona 30 miliara Ariary. Tsy lany ampiasana amin’ny fiaram-panjakana akory anefa izany taratasin-tsolika izany fa atakalo vola eny amin’ireny toby ireny amin’ny vidiny ambanimbany. Tsy misy raha manjary e !
Eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana dia tsy manana ny lanjany sy tsy to intsony izany filankevitry ny minisitra izany satria izay tapaka eo aza mbola lavin’ny sasany rehefa tonga any am-pandriana. Toherin’ny ankolafin’olona samihafa tsotra izao izay fanapahan-kevitra raisin’ny Governemanta. Dia mbola azo atao hoe : Fanjakana ihany ve izany ? Tsy misy raha manjary e !
Eo amin’izay fitantanan-draharaham-pirenena izay ihany dia tsy misy intsony ny fitsinjovana ny filan’ny vahoaka fa rehefa tsy azoazo izay Ben’ny tanàna dia anaovana antsojay ny fanaovan-javatra ao aminy. Tsy misy raha manjary hoa !
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.