Politique

Fitantanan-draharaham-panjakana Misy olona tsy voafehin-dRajoelina


  • Zoma 09 Aogositra 2019

Misy olona toa manana fahefana be tsy hay tohaina ao anaty fanjakana ao amin’izao fotoana, ary tena mampiteny ny anarany ! Fianakaviana olona ambony sy tena akaiky olona ambony eto amin’ny firenena izy io.

 

 

 Tsy minisitra izy aloha, tsy sekretera jeneraly na tale jeneraly saingy tena re fa to teny ary sahy mibaiko minisitra, eny fa hatramin’ireo minisitera iankinan’ny fiandrianam-pirenena aza. Tonga dia mahafantatra azy ireo rehetra efa nobaikoany na notsindriany na nanaovana vava be. Tsy fantatra mazava na amin’ny maha fianakaviana olona ambony azy na noho ny mety ho fahalalany tsiambaratelom-panjakana maro, fa mahagaga ny fihetsiny toa tsy refesi-mandidy. “Mampiteny anarana”, io no mahafehy ny zavatra ataon’ity olona iray ity amin’izao fotoana izao, ary tany anaty tambajotran-tserasera aza dia nisy fotoana tena nanao vava be sy sary miaraka amina fitaovam-piadiana mahery vaika izy. Misy ny manamarika fa tsy isarahana basy mihitsy any am-balahany na aiza na aiza toerana alehany. Ny antony tsy fantatra loatra, fa raha ny fahafantaran’ny besinimaro azy aloha, dia tsy mpitandro filaminana izy. Tsikaritra indraindray io fananany fahefana diso tafahoatra io amin’ny fanomezany baiko an-kolaka ny mpitondra ambony amin’ny famoahana zavatra any anaty tambajotran-tserasera. Zary toa efa maka ny toeran’ny filoha mihitsy aza indraindray. Na dia tsy tena tompon’ny fahefana aza dia azo lazaina tsy mihambahamba fa anisan’ny olona manana “influence” betsaka eo anivon’ny governemanta Ntsay Christian amin’izao ity olona ity. Angamba tsy misy ohatra azy amin’ny fananany olona akaiky ao anaty fanjakana, ary zary toa efa maka ny toeran’ny filoha mihitsy indraindray. Hanahirana ny filoha Andry Rajoelina io satria sady manala baraka ny asam-panjakana ambony no manindry tsotra izao ny fahefany amin'ny maha filoham-pirenena azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT