Fitantanan-draharaham-panjakana

Miala any ny teti-dratsy hampandaniana an-dRajoelina !


  • Alarobia 13 Septambra 2023

Mitombo ny ahiahy amin’ny fitanilan’ny raharaham-panjakana amin’ny kandidam-panjakana amin’izao fifidianana izao.

Betsaka ny sary maneho izany, raha tsy hilaza fotsiny afatsy ny fihetsik’ireo minisitra ao anatin’ny governemanta izay nanindrahindra ny laharana faha-3 taorian’ny antsapaky ny CENI. Nanao izany ny Minisitry ny serasera sy ny Minisitry ny fanabezam-pirenena. Raha tarafina amin’ireny, azo heverina ny hisian’ny tsindry samihafa toy ny fanerena mivantana na ankolaka ny mpampianatra hanaraka ny loko politikan’ny kandidam-panjakana, ary efa andrenesana an’izany ohatra ny any Diana amin’ny resaka fandrahonana famindran-toerana. Tahaka izany ihany koa ny fahalalahan’ny haino aman-jerim-panjakana izay zary toa natao fananan’ny fitondrana raha ny fitarainan’ny mpanao politika. Tahaka izany ihany koa ny tsindry sy baiko samihafa mahazo mpitantana raharaham-panjakana, ny ben’ny tanàna, sefom-pokontany,,.. Iny rem-poko rem-pirenena iny ihany koa ny fanambaran’ny Minisitry ny asa tànana nilaza fa hanohana an-dRajoelina satria mbola ireo no mitazona ny “administration” ary any ny vola,… Ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra ny tsy tokony hitanilan’ny fitantan-draharaham-panjakana, ny fampianarana, ny fitsarana, ny tafika,… amin’ny politika ka voahaja ve izany? Efa nampaneno lakolosy ihany koa amin’ny resaka fanakanana ny angidimbin’ireo kandida ireo kandida satria ny Fiadidian’ny Repoblika no voalaza fa lasa miantsoroka ny famoahana ny fahazoan-dàlana. Governemanta napetrak’ilay filoha teo aloha lasa kandida anefa no mipetraka eo amin’izao. Tahaka izany ihany koa ny karazana fiampangan’ny kandida miisa 10 ny HCC izay mialokaloka anatin’ny didy tsy azo hivalozana tamin’ny fitsipahana ny fitoriana mikasika an’I Andry Rajoelina sy ilay fanomezana ny fahefana ny governemanta,… “Zava-doza, tsy mahafehy tena intsony ilay minisitra sy governora, ary ny tena hafakely dia minisitry ny serasera tsy mahafehy tena intsony fa mitovy amin’ny kiolonolom-poana. Tsy io mahamendimendy an’ilay minisitra io no zava-dehibe, porofo fa tena mendy sy tsy mahatan-damba. Fambara ratsy ho an’ny fifidian ana ho avy, ny dikan’ireny dia toto vody basy no haneren’io fitondrana io ny fifidianana, ary ny fanerena ny valim-pifidianana dia mety ho loza”, hoy ny mpamakafaka politika Constant Raveloson tamin’ny haino aman-jery iray omaly. Ny kandida, hoy izy, no tokony hiteny azy satria izy no efa niroboka sy nandroboka ny olom-pirenena. Aminy, mila mitaky ireo kandida mba hanovana ny praiminisitra, minisitry ny atitany, minisitry ny serasera, minisitry ny fitsarana, minisitry ny fanabeazam-pirenena farafaharatsiny, ary mitaky fanamboarana sy fanovana ny CENI. Nahitsy izy nilaza fa manana adidy handamina ireo kandida, tokony hanetsika ny mpomba azy ka tsy ho lany andro amin’ny fanindrahindrana laharana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT