Nanao fanambaràna iombonana tetsy
Ambatonakanga omaly ny solontenana sehatra samihafa toy ny tanora, sendika, orinasa, raiamandreny eto amin’ny firenena sy ny hafa tsy voatanisa mivondrona ao anatin’ny antsoina hoe AMEN na Andrimasom-pirenena miaro ny ezaka nitolomana, raha ny fampitàm-baovao voaray. Tonga amina vanim-potoana fehizoro amin’ny fiainam-pirenena isika ankehitriny, hoy ny fanambaràna. Araka ny lalàmpanorenana, hoy ny voalaza, dia tokony ho apetraka eo anivon’ny antenimiera ato ho ato ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna na LMFB 2026. Io no mametraka ireo fidiram-bolam-panjakàna sy ireo fandaniana ho atao ary ny politika ara-ketra ho an’ny taona manaraka. Izy io ihany koa no ho taratry ny politika ankapobeny entin’ny fitondràna ankehitriny. Ho hita taratra aminy ireo seha-pihariana ho laharam-pahamehana na tsia sy ny finiavan’ny fanjakàna ho an’ny tena fanorenana an’ny rafi-panjakàna na tsia ary ny fomba entintsika hamaly ireo filàntsika. Ny hetra ho alohantsika, ny tetibola ho an’ireo kaominina, ny fanohanana ara-bola ho an’ny jiro sy ny maro hafa, izany rehetra izany dia ho voafehin’ny LMFB. Mila mailo sy sarotiny isika amin’ny LMFB 2026. Ny volavolàn-dalàna aroso ato ho ato dia novokarin’ny fitondràna teo aloha ka mety sarotra ny hahita taratra ny fanorenana sy fanavaozana izay andrandraintsika ao anatiny. Manao antso avo amin’ny governemanta sy ireo mpikambana amin’ny antenimiera izahay hiala amin’ny fomba famindra teo aloha amin’ny famolavolàna sy fandaniana ny VLMFB anatin’ny tsy mangarahara sy fikoropahana, hamaly ny antso natao mba hisian’ny tena fifampiresahana ara-politika anaty fotoana fohy entina miara-mamaritra ny tondrozotra ho an’ny tetezamita sy ireo laharam-pahamehana izay hifehy ny famolavolàna ny VLMFB 2026 sy hamaritra ireo rafitra afaka handany ny VLMFB 2026 mandritr’io tetezamita io. Hikarakara fikaonandoha misokatra sy matotra ary mampiaty miaraka amin’ireo mpisehatra rehetra toy ny sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, sendikà ary indrindra ireo tanora izay nitondra ny hetsika. Mpandray anjara fototry ny hetsi-bahoaka ny tanora ary maro an’isa eto amin’ny firenena ka zava-dehibe ny fandraisana ny hevitr’izy ireo. Tsy politika fotsiny ny LMFB fa miankina aminy na ny ara-toekarena na ny ara-tsosialy ho soa iombonan’ireo malagasy 30 tapitrisa, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.