Politique

Fitambaran’ny TIM sy MAPAR Manozongozona ny sezan’ny HVM


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Fiovana lehibe teo amin’ny tontolo politika ny fiarahan’ny solombavambahoaka TIM sy MAPAR, fanambarana hery mba hanoherana ny hadalana kasain’ny fitondrana HVM atao eto amin’ny firenena.

Ilaina ny mampandefitra ny hambom-po rehefa te hahatafita ny zavatra kendrena, ary tsy maintsy ny tombontsoa ambonin’ny firenena no jerena fa tsy hoe izay maha metimety ny antoko fotsiny. Efa re ny siosion-dresaka fa mbola hisy antoko na vondrona hafa hanampy tosika an’ireo antoko roa atao hoe ngeza ireo.  Mipetraka eto ny fanontaniana, resy lahatra ve ny HVM fa tena tsy ho azo hozongozonina ny sezany ? Mihevi-tena ho mafy be ny fitondrana HVM satria tompon’ny vola sy fahefana. Manao be marenina amin’ny zava-misy eto Madagasikara kanefa manohitra azy daholo ny sehatra rehetra toy ny mpanao politika, ny firahamonim-pirenena, ny mpandraharaha, ny mpiasam-panjakana tsotra … Efa samy maneho ny heviny amin’ny hetsika isan-karazany ny rehetra. Tsy azo tsinontsinoavina izy ireo ary ho sarotra ny raharaha ho an’ny fitondram-panjakana raha mihetsika mitambatra ireo hery rehetra ireo. Tsikaritra ho efa nikorapaka ny fitondrana ka nanao hetsika maimaika teny Mahamasina ny sabotsy teo, kanefa vao miha fahafaham-baraka no azo. Nibaribary fa efa tsy maharesy lahatra ny olona intsony ny HVM ary efa resaka be etsy sy eroa amin’izao fotoana ny hoe vitan’ny TIM sy MAPAR ny baolina raha mahay mifandamina tsara ry zareo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT