Politique

Fitakiana sy fanehoan-kevitra Diabe ny eto Iarivo amin’ny 8 mey


  • Zoma 13 Aprily 2018

Nanambara ny hiroso amin’ny diabe eto Antananarivo, izay misalotra ny anarana hoe “Diaben’ny Fampihavanana sy ny fanavotam-pirenena” ny Federasionin’ny gadra politika na ny FEDEP sy herivelona maro eto amin’ny firenena ny 8 mey ho avy izao.

 Aoka hazava fa tsy diabe natao hanonganam-panjakana izy io, fa ny fanjakana aza efa ho tapitra fe-potoam-piasany. Raha hanongana dia efa elabe tany aloha isika no nanao izany, saingy tsy nanao izany izahay, hoy izy. Natao hanehoan’ny vahoaka sy hitakiana io fa ilaina ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena, raha ny fanazavany. Ny mahamaika izao, dia ny fampihavanana politika. Tsy sarotra ny hanatanteraka izany, raha toa ka samy manetry tena ary samy vonona hiaika heloka sy hifamela heloka ny mpanao politika eto amin’ny firenena. Voalohany tokony hanao izany ny CFM, ary azony atao ny miantso faran’izay haingana ny mpanao politika rehetra manomboka any amin’ny mpitondra, mpanohitra, firaisamonim-pirenena, FFKM misy ireo ray aman-dreny am-panahy, fiangonana zandriny,… amina toerana iray. Hidiana ao anaty trano iray ny rehetra, handinika sy hamolavola ny fifanarahana mazava hiaraha-manatanteraka. Izany no hoenti-miatrika ny fifidianana. Miantso ny Malagasy ho sahy haneho hevitra izy ireo, ary tsy misy fahotana amin’ny fitakiana ny hisian’ny fampihavanana, hoy hatrany i Riribe. Manentana ny Malagasy rehetra na HVM na TIM na MAPAR, mba hiara-kanatanteraka io diabe am-pilaminana io, hoy ny fanentanana nataony. Tsy hihemotra ny hetsika, ary efa misy ny alalana avy amin’ny Kaominina. Misakana ny fampihavanana ny mpitondra, raha toa ny olona handeha haneho hevitra ny hisian’izany no hosakanana, hoy i Riribe.

Voabaiko ny CFM, antsoina ho tonga saina ny miaramila

Milaza ny Filohan’ny CFM Maka Alphonse, fa tsy voabaiko, kanefa diso izany, hoy i Riribe. Mandray baiko ianareo, ary tsy baiko hahatsara zavatra, fa baiko politika hanakanana olona tsy hilatsaka, hoy hatrany izy. Na ny mpikamban’ny CFM aza dia misy milaza fa tsy azo atao ny manome famelan-keloka na “amnistie” an’i Marc Ravalomanana tsy hahafahany mirotsaka, raha ny nambaran-dRiribe. Miantso ny rahalahy miaramila hoe aoka tsy ho arofanina farany intsony, fa efa hita izao sahotakotakotaka izao, ary tsy misy zavatra mety intsony.  Miantso ny miaramila izay miaraka amin’ny fitondrana mba handray andraikitra. Ny fomba fanao tsy mendrika nananantsika hatramin’izay mba halevina im-pito mandifotr’olona ny fiarovana fitondrana an-jambany sy atao herim-pamoretana. Aoka izay fa mandraisa andraikitra, fa rehefa tsy mandray ianareo dia ny vahoaka no handray andraikitra, hoy kosa ny kolonely Behavana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT