Noho ny fangatahan’ireo “Diaspora” Malagasy any ivelany dia hoentina any Frantsa sy Rosia ny hetsika fanangonan-tsonia sy fampirantiana ny maha antsika Malagasy an’ireo nosy manodididina antsoina hoe nosy Madagasikara ankehitriny.
Mialohan’izany anefa, hoy ireo mpikambana eo anivon’ny ACS na ny fikambanan’ireo Mpanolotsaina avon’ny tetezamita fahiny, dia mbola hoentina haranty manerana ny Faritra eto Madagasikara ity hetsika fanentanana ity miaraka amin’ny fanangonan-tsonia hampiarahana amin’ny fitakiana halefa mivantana any amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana amin’ny farany. Araka ny heno teny Analakely toerana hanangonana sonia hatreto dia eo amin’ny 200.000 sonia eo ho eo no heverina hangonina aloha hatreto. Ary amin’ny fanaterana mivantana ny fitakiana any amin’ny ONU dia nambaran’ny ACS fa ny filoha Hery Rajaonarimampianina no heverina fa hitarika ny delegasiona raha mety handeha amin’izany ary minisitra telo ihany raha betsaka no hiaraka aminy fa Fiarahamonim-pirenena avokoa no hameno ny androan-tokon’ny delegasiona.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.