Araka ny fampitandremana nataon’izy ireo ny zoma dia tonga maro be teny Ambohijatovo tokoa ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo reg ny sabotsy 12 desambra vao maraim-be, niambina ny kianjan’Ambohijatovo sy ny manodidina.
Tsy nahazoana alalana ka tsy azo atao ny fihetsiketsehana fitakiana ny famerenana amin’i Madagasikara ireo nosy manodidina ka izany no hahatongavanay eto, hoy ny mpitandro ny filaminana.
Tompony mangatak’atiny
Fihetsiketsehana am-pilaminana, hanambaranay ny hevitray sy ny hetahetanay no ataonay ka nahoana izahay no sakanana sy itondrana basy, hoy ireo olona tonga teny an-toerana. Nanomboka nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ny olona ny emmo reg tamin’ny 9ora sy sasany tany ho any ary nandroaka ny olona rehetra nijorojoro na nivorivory teo Ambohijatovao ka hatraty Andohan’Analakely. Anisan’ny tazana teny an-toerana ny mpanao politika toa an-dry Alain Ramaroson, Rajaonah Andrianjaka, Joseph Yoland …Hafahafa ihany ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana izay tokony hiaro ny vahoaka kanefa toa mandrahona sy manaporitra azy indray, hoy ireo mpanao fihetsiketsehana ireto. Mazava ny resaka fa faritanin’i Madagasikara ny “iles éparses” ka zon’ny Malagasy tanteraka ny mitaky azy amin’i Frantsa, izay azo sokajiana ho mpibodo sy mpangalatra tanin’olona mihitsy. Tsy dia ny endrika hisehoan’ny tolona loatra no hiadian-kevitra fa ny fototra iaingany, dia ny fitakiana ny fananan’ny Malagasy mba ho azy tsy misy andrimbinana na dia kely aza. Nasehon’ny fitondram-panjakana indray tamin’ny sabotsy fa tsy ivakiany loha firy ny fitakiana ny « iles éparses » fa ireo olona mitaky ny rariny sy ny hitsiny indray nonorarafana lakrimôzenina sy nohenjehana tahaka ny jiolahy. Tsy ny Malagasy anie no nangalatra fa ny Frantsay e ! Mandiniha tena ianareo mpitandro filaminana fa sao dia diso fahavalo ka ny Malagasy tahaka anareo ihany no ho vonoinareo, hoy ireo olona nanao fihetsiketsehana teny Ambohijatovo. Mampieritreritra ihany ny zavatra tahaka izao satria toa hita soritra marina fa misy ny tetika ampiadiana ny samy Malagasy dia maty ho azy ilay fitakiana avy eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.