Hijoro fanindroany ny Komity manokana misahana ny fakan-kevitra manodidina ny fameranana ireo Nosy Malagasy, satria efa nisy komity voalohany tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina.
Ny minisiteran’ny raharaham-bahiny no mitarika izany, ampian’ireo departemanta teknika isan-tsokajiny ary ireo manampahaizana manokana mikasika ny famerenana sy fitantanana ireo Nosy malagasy, hiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly. Natao hanangona ny hevitra rehetra mety ahafahana mijery ny tena tombontsoan’ny firenena ka hanolotra izay raki-kevitra voaangona mankany amin’ny vaomiera iraisana amin’ny firenena Frantsay hoentina mandinika ny ambaindainy amin’ny fikaroham-bahaolana momba ny resaka manodidina ireo Nosy Malagasy ireo. Tena hahavita hiady ireo Nosintsika tokoa ve ny fanjakana Rajoelina izay zaza mpankato an’i Lafrantsa ? Vao volana vitsy moa izay no nihaona i Emmanuel Macron sy Andry Rajoelina, ka anisan’ny voaresaka ny raharaha Nosy Eparsa. Toa mizotra mankany amin’ny hoe fiaraha-mitantana. Izany ve anefa no andrasan’ny Malagasy ? Toa mifanohitra amin’ny làlan-tsain’ireo mpahay lalàna iraisam-pirenena Malagasy ny an’ny mpitondra. Anisan’ny efa nampahatsiahy ny tantara ny Pr Raymond Ranjeva, mpitsara iraisam-pirenena nanamafy fa nandray andraikitra tamin'ny famolavolana ny dosie momba ireo nosy kely nanomboka tamin'ny jona 1973. Nijoro sy niaro ny zon'ny Malagasy ary nitaky ireo nosy ireo teo anivon’ny Firaisambe Afrikanina, ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana,... izay samy nanamarina ny maha ara-drariny ny zo ny fiandrianam-pirenena Malagasy, hoy izy. Tamin'ny 1979 dia firenena 8 ihany no nitsipaka ny tolo-kevitra naroson’i Madagasikara hamerenana ireo nosintsika ireo. Hiantso ireny manampahaizana Malagasy ireny ve ny mpitondra ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.