Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry
ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, sy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Moustapha Marson Abdulah. Manjaka ny fanaovana didy jadona sy didiko fehy lehibe amin'ny fitantanana eo anivon'ny minisiteran’ny fampianarana ambony, hoy ny isan’ny fanehoan-kevitry ny mpisehatra eo anivon’ity minisitera ity. Ireo tomponandraikitra tsy manaraka ny sitrapony dia nesoriny ary misy ireo iharan'ny fandrahonana. Baiko tsy mifanaraka amin'ny ara-dalàna no omeny ka rehefa tsy mety manaiky an'ilay tomponandraikitra dia avy dia esorina amin'ny toerana, hoy hatrany ny voalaza. Isan’ny antony mahatonga ny fitakiana ny fialàn’ity minisitra ity ihany koa ny resaka famoaham-bola tsy mazava eo anivon'ny departementa tantanany sy ny tsy fahazakany fahefana izy ary ny tsy fahaizany mifandray aman'olona ka manaratsy ny endriky ny fitondràna ankehitriny, hoy ireo milaza ho manohana izao fitondràna ankehitriny izao. Nambaran’ireo olomboafidy avy any amin’ny faritra Boeny, raha tsiahivina, fa tsy mety mihaino sy mifampiresaka amin’izy ireo ireto minisitra mpiahy azy ireo ireto. Nisy ihany koa ny faran’ny herinandro teo ny fihaonana teo amin’ireo solombavambahoaka avy amin’ny IRMAR sasany sy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena saingy tsy nety nitondra fanazavana ireto solombavambahoaka ireto mikasika izay fihaonana izay. Tsy nahitàna solombavambahoaka avy any amin’ny faritra Boeny nanatrika ny fihaonana, raha ny fampitam-baovao voaray. Nanamafy anefa ireo solombavambahoaka avy any Boeny fa tsy mihemotra ny fangatahan’izy ireo ny fanalàna ireto minisitra ireto. Andrasana hatrany, araka izany, ny tohin’ity raharaha hita ho miha mafana ity.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.