Politique

Fitakiana ireo nosy Malagasy Tena fitiavan-tanindrazana tokoa ve ?


  • Alarobia 11 Novambra 2015

Famaliana bontana ny fitakian’ny Malagasy hisitraka ny hareny no nivoaka tamin’ny vavan’ny mpitondra fanjakana momba ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara, hoy ny mpitarika ny fikambanana «Asandratro ny Fireneko» Ratsimba James.

 

 Nolazain’ny minisitry ny Raharaham-bahiny mantsy fa efa mitsangana ny vaomiera mandinika ny raharaha saingy manjavona sy tsy mangarahara kosa hatreto ny momba azy io toy ny mpikambana ao anatiny na koa ny fotoana nananganana azy. Ny zava-misy tsy azo lavina dia efa mitrandraka ireo harembe fananan’ny vahoaka Malagasy ao amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara ny mpanjanaka frantsay. Mety amin’ny filohan’ny Repoblika ny mangina na milaza mazava izay olona nivarotra sy nandray ny bolongam-bola takalon’ny fandafosana ireo nosy fananana iombonan’ny Malagasy ireo. Tsy hanaiky velively ny fiaraha-mitantana azy ireo miaraka amin’ny firenena frantsay izay mifanalavitra tanteraka raha ny lafiny ara-jeografika ny vondron’ny tia tanindrazana.  Enga anie ka mba tena ho fitiavan-tanindrazana  ihany koa no manosika ireo mpitarika ny fitakiana marobe fa tsy misy hevitra ambadika, hoy ny filohan’ny «Front Patriotique» Ratsimba James.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT