Politique

Fitakiana ireo îles éparses Raikitra ny fanangonan-tsonia


  • Alarobia 02 Desambra 2015

Hiantso ny Malagasy rehetra resy lahatra amin’ny fitakiana ny famerenana ireo nosy îles éparses nalain’i Frantsa am-pitaka tamin’i Madagasikara ny

 

 

fikambanan’ireo senatera sy ireo mpanolotsaina avon’ny Tetezamita teo aloha na ny Acs. Rahampitso alakamisy dia hanao  hetsika fanangonan-tsonia etsy  amin’ny Tahala Rarihasina ireo  mpikambana ao amin’ny Acs. Rehefa  voaangona ny sonia,  araka ny  fanazavana izay nomen’ny mpitarika ny  fikambanana ny mpanao gazety omaly, dia  halefa eny anivon’ny  firenena  mikambana izay efa nanao io fanambarana ny maha an’i Madagasikara an’ireo nosy ireo ny 12 desambra 1979. Amin’izao  fotoana izao  moa dia any Frantsa ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina miatrika ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny  fiovaovan’ny  toetr’andro.  Fotoana ihaonana amin’ny Filoha frantsay sy  ireo filoham-pirenena hafa mety hanampy an’i Madagasikara io fotoana io, hoy ny mpanara-baovao raha tena  vonona ny  hitaky ny  famerenana ireo  nosy ireo  amin’i Madagasikara tokoa ireo  mpitondra ankehitriny. Ny Malagasy mafana fo eto  an-toerana indray  amin’ny fitakiana ireo nosy ireo dia maro no maneho hevitra ny hampitambaran’ireo milaza azy ho mpitarika ny  hery  rehetra mba hampahomby  izany  tolona izany  sy  mba  tsy  hisian’ny  mpanararaotra ny vanim-potoana fotsiny hanaovana tolona itadiavan-tseza na  sanatria   itadiavam-bola fotsiny.


Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT