Mandrahona hidina an-dalambe ny
Gen Z sy Raiamandreny ara-drazana ao Toamasina
Nisy omaly ny fanambarana tany Toamasina nataon’ireo Gen Z, Raiamandreny ara-drazana, solontena isaky ny Boroiborintanty, milaza fa tsy mbola nisy valiny na fepetra noraisin’ny Fanjakana mikasika ny fitakian’izy ireo, andro maromaro lasa. Mitaky ny fialan’ireo lehiben’ny fokontany, ben’ny tanàna,… izay ambaran’izy ireo fa tsy avy amin’ny vahoaka izy ireo. « Manome fe-potoana 7 andro, ka raha tsy mivaly izany dia tsy maintsy hiroso amin’ny fitokonana eny an-dalambe », hoy ny fanambarana. Milaza izy ireo fa anton’ny nijoroan’ny CAPSAT dia ny marary ny vahoaka, fahatsapana tsindrihazolena, ka izany no mbola mihatra amin’ny vahoaka, mbola tsy vita ny tolona,… Efa nisy moa ny fanambarana voalohany nataon’izy ireo izay nilaza fa « tsy ekena ny fanitsakitsahana ny demokrasia sy ny lalàmpanorenana ny fanendrena mivantana na ankolaka izay tsy avy amin’ny vahoaka, ka takiana ny fanesorana ireo tompon’andraikitra tsy avy amin’ny vahoaka. Mitarika fahaverezan’ny fitokisan’ny olom-pirenena, tsy fahamarinan-toerana, krizy politika sy sosialy,… ». Mitaky ny tompon’andraikitra eto amin’ny tany sy ny Firenena, indrindra ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika ny hanafoanana ny didim-panjakana manendry ny tompon’andraikitra rehetra, izay ambaran’izy ireo fa niray petsapetsa tamin’ny Filoha teo aloha, fa indrindra ny ben’ny tanànan’i Toamasina I sy Toamasina II, hamerenana tsy misy hatak’andro ny safidin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka sy ara-drariny, mifanaraka ny sata Repoblikanina, hamerenana, hanome lanja ny fahefana sy ny andraikitry ny sefom-pokontany kanefa ravao tanteraka ireo amin’izao fa mampahory sy manao ramatahora amin’ny vahoaka, mitaky ny hanoloana tsy misy hatak’andro ireo delegen’ny boriborintany satria mampijaly vahoaka,… Raha tsy halana ny ben’ny tanànan’i Toamasina I sy Toamasina II dia ho lombolombon’ny niakaranay nanala an’i Andry Rajoelina no hanalanay an’io eto satria hatramin’ny fanampiana, vola tokony ho an’ny vahoaka dia atelin’ireo. Olona tokony hitondra ny marary anay kanefa matory izy ireo, hoy hatrany ny fanambarana. « Ny nitolomantsika dia fanovana kanefa tsy tonga amin’ny vahoaka ny fanovana, na ny fizarana fanampiana noho ny Gezani aza tsy ara-drariny,… Atao ankilabao i Toamasina II, ny ben’ny tanàna tsy hita,… Lasa atao sangisangy ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka, ny nitolomantsika dia fanovana tanteraka saingy mbola tsy tonga amin’izany », hoy moa ireo milaza fa Gen Z, Raiamandreny ara-drazana, ary solontena isaky ny boriborintany ireo. Andrasana izany ny tokony sy ny ho akony fa zary lasa fanao ity fitakiana fandravana na fanonganana, arahina fanomezana fe-potoana ho an’ny fitondram-panjakana ity tato ho ato.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.