Fitaizana, fitsaboana, fikarakarana ny zokiolona

Nanatrika sy nanampy ireo mpiofana ny Depiote Todisoa


  • Alatsinainy 18 Septambra 2023

Notanterahina tao amin’ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina ny 15-16 septambra lasa teo ny fiofanana momba ny fitaizana,

fitsaboana sy fikarakarana ny zokiolona na "soins et assistance aux personnes âgées". Niahy sy niara-nisalahy tamin’ny fikarakarana izany ny Depiote Todisoa Andriamampandry niaraka tamin'ny Fikambanana Ny Andraina sy ny “Team Bien-Être”, tao amin'ny Kianjan'i Todisoa Ambatolampy Ambohimanarina ny faran’ny herinandro teo. Nanatrika sy nanampy ary nitondra hafatra ho an'ireo mpiofana ity farany ny sabotsy teo, ary nanamafy ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa ho an’ny tombotsoa ara-tsosialin’ny mponina. “Misaotra indrindra anareo 57 miandahy mianaka nahavita ny fampiofonana. Misaotra anareo nahatoky ny Ny Andraina Association sy Team-Bien Être. Raha ny hafatra dia hoe: Tsy mora ny asa miandry antsika fa ny tsy fitandrema dia mampitera doza koa samia malina amin'ny fikarakarana. Aza miantehitra amin'iza na amin'iza eo amin'ny fiainana fa tompon’andraikitra eo amin'ny tenanao ianao ka mahaiza mampihatra ny talenta sy fahalalana ao aminao hampivelatra ny tenanao sy ny manodidina anao. Mankasitraka indrindra ny Ny Andraina Associations miara-miasa akaiky amin'ny Team Bien-Être ho fanohanana ny tanora amin'ny fampiroboroboana ny sehatry arak’asa”, hoy kosa ny Team Bien-Être. Marihina fa miara-misalahy matetika amin’ny Depiote Todisoa Andriamampandry ireo Fikambanana ireo amin’ny resaka asa sosialy hoenti-mampivoatra ny fiarahamonina. Anisan’ireny ny fampianarana sy fanofanana ny teny Anglisy maimaimpoana ho an’ny tanora, izay iarahana misalahy amin’ny Association Andraina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT