Fitadiavam-bahaolana tarihin’ny FFKM

Nanamafy ny fahavononany ireo kandida tonga


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Nisy indray omaly 26 septambra 2023 ny fihaonana niarahan’ireo Filoham-piangonana miisa 4 ao anatin’ny FFKM

tamin’ireo kandida ho Filoham-pirenena omaly. Ny FFKM no nampiantso, ary samy nanaovana izany avokoa ny kandida miisa 13, saingy tsy isan’ireo tonga tahaka ny efa fahita mahazatra ny kandida Andry Rajoelina. Nanomboka tamin’ny 5 ora hariva ity fihaonana ity teny Ampandrana, ka tonga avokoa ny kandida miisa 12, raha toa ka solontena kosa no nalefan’ny kandida laharana fahatelo Andry Rajoelina. Nakatona avy hatrany ny efitrano vao tafiditra izy ireo, vao nanomboka dia nivoaka Atoa Augustin Andriamananoro solontenan’i Andry Rajoelina, nijanona minitra vitsy teo an-dalan-tsara, ary lasa nandeha tanteraka avy eo. Voalaza fa tsy nankatoavin’ireo kandida satria tokony ho ny kandida sy ny FFKM ihany fa tsy solontena. Nilaza noho izany io olon-dRajoelina io, fa nisy fandaminana dia hampitaina eo ihany ny dinika nifanaovana tao. 20 minitra taorian’izay, dia niverina indray, saingy nivoaka avy eo satria voalaza fa nanamafy ireo kandida maro, fa tokony ho samy ny kandida. “Nisy ny antso izay nifanaovana tamin’ireo tompon’andrikitra Raiamandrenim-piangonana. Nifampiresahana fa afaka mandefa solontena ka ny tenako tonga teto. Nisy fandaminana vaovao nifampierana tamin’ny mpikatroka. Noho izay dia avela izy ireo fa hisintaka kely, manaja ny fifandaminana”, hoy I Augustin Andriamananoro. Nilaza ny tenany, fa nekena ny fandefasana solontena saingy niova avy eo. Tamin’ny 8ora alina no tapitra tanteraka ny fihaonana nikaton-trano, saingy nisafidy hatrany ny tsy hanao fanambarana ireo kandida rehefa nivoaka avy tao. Nisy kosa ny tatitra fohy nataon’ny Filohan’ny FFKM Mpitandrina Irako Ami Andriamahazoso, izahy naneho, fa Misaotra an’Andriamanitra nahafahana nanohy ny fifampidinihana hikatsaham-bahaolana ho an’ny firenena. Niantso ny kandida 13 ny FFKM, ny kandida no nantsoina, fa mbola mety hisy fotoana mety hilana ny solontenan’ny kandida. Tao anatin’ny resaka, vonona ny rehetra hanohy ny fifampidinihana ka ny tombotsoa ambonin’ny firenena no apetraka ho ambony, hoy ny fampahafantarana fohy nataon’ny Filohan’ny FFKM. Samy miandry hatrany izay ho fivoarany satria voalaza fa mbola hitohy ny dinika.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT