Politique

Fisorohana sy fitantanana krizy Nisokatra ny atrikasa ho an’ireo vehivavy


  • Talata 13 Desambra 2022

Nisokatra omaly tetsy amin’ny Novotel Ivandry ny atrikasa fanamafisana ny fahaizan’ireo vehivavy parlemantera, avy amin’ny fiarahamonim-pirenena,

 sehatra tsy miankina mikasika ny fisorohana sy fitantanana krizy. I Afrika mantsy, hoy ny fanazavan’ny solontenan’ny vondrona afrikanina, Hawa Ahmed Youssouf, dia kaontinanta mbola feno krizy. Zava-dehibe, noho izany, hoy izy, ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy afrikanina amin’ny fisorohana sy fitantanana izany. Te hanomana ireo vehivavy amin’ny fiatrehana izany izahay, na eo amin’ny resaka fitantanana firenena io na eo amin’ny lafin’ny tontolom-pifidianana, hoy hatrany ny tenany. Tsy voatery anatina vondrona politika fa na misehatra amin’ny lafiny sosialy sy ekonomika dia afaka mandray anjara izy, hoy kosa ny mpanelanelana eo anivon’ity vondrona iraisampirenena ity, Marie Marcelline Rasoloarisoa.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT