Politique

Fisorohana krizy “Mila averina toy ny tamin’ny 2013 ny CENI”


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Misy krizy miverimberina na “cyclique” teto Madagasikara, izay niainga tamina krizin’ny olompirenena, hoy ny depiote voafidy tao Toamasina I, Roland Ratsiraka,

namory depiote namana sy mpisehatra politika maromaro tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona omaly. Ny olona tsinona, hoy izy, tsy te handray anjara amina fifidianana dia eo ny krizim-pifidianana. Mba hisorohana amin’izay dia tsy maintsy havaozintsika ny CENI. Mila haverina toy ny tamin’ny 2013. Ity izany tena lalindalina kokoa ary mametraka tsara hoe tsy maintsy olona manana traikefa 12 taona tanatina fifidianana, mpikamban’ny sendikan’ny administratera sivily, sendikan’ny mpitsara sy ny toy izany no anatin’ilay izy. Andininy miisa 7 tamin’ny 118 no nivaly tao anatin’izay fitakiana izay. Mametraka tsara ireo andininy 7 ireo fa mahaleotena, mahavita azy ilay CENI ary ho eken’ny rehetra. Ho ampidirinay anaty antenimieram-pirenena ity tolo-dalàna ity. Ny CENI izao nangataka ny hevitry ny HCC nefa tsy azony atao mihitsy izany. Tsy ara-dalàna izany. Hitantsika fa tsy mandeha amin’ny laoniny izao ny fanaovana lisi-pifidianana. Tsy hananan-drizareo ilay fahaiza-manao. Aleo apetraka ity ary tsy maintsy iadiana mba ho lasa. Fantam-poko, fantam-pirenena fa raha vao manao ny tsy mety eo zareo dia hidina an-dalambe ny olona. Hisy krizy dia tsy maintsy miverina amin’ity foana isika, hoy hatrany ny tenany sy ireo mpiaradia aminy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT