Politique

Fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana


  • Alarobia 31 Mey 2023

Mifanarana anio, ambany ny taha eto Iarivo

Mifarana anio 31 mey 2023 ny fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana Nasionaly. Kihon-dàlana farany izany ity androany ity ahafahan'ny olompirenena izay mbola tsy anaty lisitra misoratra anarana sy manitsy izay mety ho fahadisoana. Afaka manatona eny amin'ny Biraom-pokontany miaraka amin'ny karapanondrom-pirenena izay mbola tsy tafiditra. Ny alarobia 31 martsa no daty voatondro hamaranana izany. Andrasana ny mety ho isa farany mitaha amin’ny tanjona 13,5 tapitrisa napetraky ny CENI, fa raha tamin’ny fanakatonana vonjimaika farany, dia ambany, mbola latsaky tamin’ny fifidianana 2018 aza ny isan’ny mpifidy. Ny faran’ny herinandro teo, 3 andro mialohan’ny fifaranany anio. Nilaza ny CENI tamin’ny alalan’ny Tale Kabinetrany Atoa Jean Louis Andriamifidy, fa mbola ambany ny taham-pisoratana anarana ho an'Antananarivo. Izany no antony nambara fa nidinan'ny ekipan'ny CENI manao fanentanana ifotony tao anatin’ny andro vitsivitsy mialoha ny hikatonan'ny fisoratana anarana izao. Ny fokontany anatin'ny boriborintany faha 2, faha 3, faha 4 no notetezina nanaovana fanentanana ny 27 may. Sady nanao fanentanana amin'ny alalan'ny zava-maneno ny ekipan'ny CENI no nitafa nivantana tamin'ny mponina. Nambara fa tsikaritra tamin'ny firesadresahana fa mazoto ny olona hisoratra anarana. Misy ihany koa ny nilaza ny tsy fahatomombanana hitany, raha ny tatitra hatrany. Tao ihany koa ny nitaraina momba fikatonan'ny biraom-pokontany. Toromarika nomena ny fokontany tsirairay ny hisokafany manomboka amin'ny 8 hatramin'ny 6 ora hariva, mba hahafahan'ny olompirenena misoratra anarana. Andrasana moa izany ny fivoarana eo amin’ny lisitra nasionaly, izay ny 10 jona no tokony ho fantatra tanteraka, ary io no hiatrehana ny fifidianana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT