Mikorontana ny firenena! misavoritaka ny saim-bahoaka! Inona indray no hatao amin’ity fanambaran’ny mpitatitra milaza ny hampiakatra saran-dalàna ity? Inona no ho vahaolana petatoko na vono afo ataon’ny fitondrana HVM eo anatrehan’ny zava-misy?
Misandratra manaraka ny vina fisandratana 2030-n’ny Filoha tokoa izany izao ny zava-drehetra e! Nasandratra ny vidin-jiro, nisandratra ny vidin-tsolika, dia io mananontanina io saran-dàlana. Tsy milamin-tsaina intsony ny vahoaka, fa dia mitatao loza andro aman’alina, saingy ny fampanantenana poakaty ihany amin’ny ankampobeny no rano haroso hosotroiny. Handeha indray ny fifampiresahana ato ho ato, ka mety tsy ho 700Ar ny fisondrotan’ny saran-dalàna fa 500Ar ohatra, ho an’ireo mbola 400Ar. Dia handeha hirehareha sy haneso vahoaka indray avy eo, toy ny efa fanao amin’ny vidin-tsolika amin’ny alalan’ny hoe tsy tonga dia ampiharina ny vidiny tena izy misy fisondrotana hatrany amin’ny 700Ar mba hitsinjovana vahoaka. Hisandratra ihany hisandratra hatrany ny vidim-piainana satria raha mitohy io resaka vidin-tsolika miakatra io, dia ho 4700Ar any ho any afaka enim-bolana. Samy afaka maminavina ny rehetra hoe hatraiza ny fisandratry ny vidim-piainana sy ny mbola ho fahasarotan’ny fiainam-bahoaka. Tsy any amin’ny resaka olan’ny Malagasy izao no maha maika fa ny kajy maloton’ny fifikirana amin’ny fahefana, ka toa sesilany izao fandrirarirana ny sain’ny olona izao. Ny fanaovana ronono an-tavy amin’ny vina fisandratana 2030 mandeha ihany, kanefa efa fanesoana vahoaka tsotr’izao. Na efa mitanjaka ara-poto-tsaina aza anefa ny fanjakana HVM, toa tsy ho lany henatra intsony fa mbola mihambo ho mafy sy mahavita! Ny hery anefa tsy mahaleo ny fanahy e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.