Fisamborana, setrasetra politika,…

« Fitondrana mandrovi-tsihy, jadona, tsy hitondra fitoniana,… »


  • Talata 11 Febroary 2025

Isan’ny toe-draharaha mitana ny sain’ny maro ny fanaovana hazalambo ny ben’ny tanàna Djavojozara Jean Luc

voafidy tamin’ny isam-bato 65,71% na tsy nanao propagandy aza. Voatery misitrika, ka nametrahana PDS, saingy manao fanoherana eny amin’ny Fitsarana ny ben’ny tanàna voafidy, manohitra izay fametrahana PDS izay. Mafanafana ao Antsiranana amin’ny tsy fanekena ny fanitsakitsahana safidim-bahoaka. Betsaka ireo mpanao politika maneho fa tena tafiditra amin’ny jadona tanteraka ny Firenena, mandrovi-tsihy ny Fitondrana, vao mainka handrehitra afo izao,… Anisan’ny niteraka fanehoan-kevitra samihafa ny nisamborana an-dRadovola Rakorobe omaly 10 febroary 2025. « Hajao ny safidim-bahoaka, tsy azo ekena ny halabato sy ny bodongerina atao amin'ny vahoakan'Antsiranana izay naneho ny safidiny ka nandany ny kandida Jean Luc Djavojozara . Izao fihetsika bontolo ataonareo mpitondra izao no manaporofo fa tsy misy irarahianareo izay demokrasia sy fitsinjaram-pahefana izany na Kely ary. Mankahery an'i Maire Jean Luc Djavojozara sy ianareo vahoakan'Antsiranana.", hoy ny fanehoan-kevitr’i Hajo Andrianainarivelo Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM. « Voasambotry ny zandary hono i rasta. Tonga irery nanoloana ny Hotel de ville Diego izy niantso ny mponina hanohana ny maire voafidy ary mandà ny fametrahana PDS. Mbola vao izy irery no tonga dia voasambotra. Hitondra fitoniana ve izany? Tsy haiko aloha fa izaho manao hoe vao maika hampiakatra hatezerana », hoy ny depiote teo aloha Paul Bert Rahasimanana na Rossy. "Voasambotra i Radovola Rakotobe rehefa niantso hetsika fanoherana ny fanendrena ny Filohan'ny Delegasiona Manokana (PDS) ! Tena fanjakana mandrovitsihy no misy eto... Dictature!", hoy kosa ny depiote voafidy tao Mahajanga Voalohany Afakandro Christian.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT