Fisamborana ny CT Hilarion

> “Tsy manana disadisa aminy, ary tsy nitory azy aho”, hoy ny filohan’ny CES


  • Sabotsy 09 Novambra 2013

Mazava ny resaka !

Nanoratra taratasy mazava tonga taty amin’ny trano fanoratan’ny gazety Tia Tanindrazana omaly zoma 08 novambra ny filohan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana, Rakotozafy François taorian’ny lahatsoraka nivoaka teto io omaly io, milaza fa “Nosamborina ny CT zanak’i Dada Hilarion Rarison – Mandrovi-tsihy ny FAT”. Notaterina tao anatin’izany lahatsoratra izany fa vokatry ny fitoriana napetraky ny filohan’ny CES no nisamborana an’ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sady kandida solombavambahoaka any Fianarantsoa ity. “Marihiko fa ny tenako dia tsy mahalala an’io olona io na manana disadisa aminy ka tsy misy antony tokony hametrahako fitoriana mikasika azy”, hoy ny taratasin’ny filohan’ny CES. Andrasana, araka izany, ny hivoahan’ny marina manodidina ity fisamborana parlemantera, anatin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana ity. Fanararaotam-pahefana sa fahadisoana tamin’ny vaovao azon’ny zandary ? Ny alakamisy 07 novambra tamin’ny efat ra sy sasany hariva no nisamborana azy teny Antanimena raha avy namonjy fihaonana politika tao amin’ny Magro Behoririka ny tenany, ary notazomina avy hatrany teny Fiadanana. Omaly tolakandro no natao ny fakana am-bavany azy. Andrasana ny tohiny satria raha ity taratasin’ny filohan’ny CES ity dia tokony ho tantara nivalona ity raharaha ity.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT