Politique

Fisamborana any Afrika Nialan’ny fanjakana Afrikanina tatsimo


  • Alakamisy 29 Septambra 2011

Tsy nisy vokany hatreto ny fangatahan’ny FAT ny fahazoan-dalana ho an’ireo mpitandro ny filaminana folo handeha hisambotra ny Filoha Marc Ravalomanana any Afrika Atsimo.

 Tsy nisy resaka intsony ilay izy kanefa dia natao avokoa ny ramatahora rehetra ny herinandro lasa teo. Efa lasa avokoa ny dosie saingy efa fantatra mialoha fa tsy heken’ny firenena Afrikanina Tatsimo ny fangatahana. Efa fantatra ny fandalàn’io fanjakana io ny Filoha Marc Ravalomanana ary misy dikany rahateo matoa io farany ao no mialokaloka politika. Ny niafarany dia samy niala bala avokoa ny tompon’andraikitra ambonin’ny mpitandro ny filaminana eto amintsika. Ny Cemgam moa dia nanazava fa tsy andraikitry ny miaramila no misambotra fa kosa ho an’ireo afaka manao fanadihadiana toy ny polisy sy ny zandary. Ny lehiben’ny zandary na Faneva indray nilaza fa tsy mbola misy mihitsy ny fikasana hisambotra izany. Manatontosa andraikitra, hoy ny tenany no ataon’ny zandary fa tsy misambotra fahatany.

Raha tsy misy ny taratasy mazava mivoaka amin’ny fisamborana azy dia tsy afaka ny hihetsika ny zandary. Raha ny fiheverana izay dia entiny manitsy ny filazan’ny Jeneraly iray hafa izay eo anivon’ny vondrona misy azy ihany izay. Raha ny tokony ho izy mantsy dia ny lehiben’ny zandary no tokony haneho hevitra raha misy ny fanehoan-kevitra fa tsy ny olona eo ambony fiahiany. Momba ity raharaha ity ihany dia tokony ho efa nivoaka ny fangatahana raha izay roa herinandro latsaka kely izay. Matoa tsy nisy ny fahazoan-dalana avy amin’ny fanjakana Afrikanina Tatsimo dia mazava fa nialany ity resaka fisamborana hatao any aminy ity. Tsy hidi-kizo amin’izany rahateo izy eo imason’ny SADC izay mandala ny fampitoniana ao anatin’ny tondrozotra napetrany…

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT